Ny renitantely na tantely dia bibikely manana elatra toy ny elabakaka ao amin' ny fianakaviambe Apoidea. Atao hoe Anthophila ny anarany siantifika. Farafahakeliny dia karazana tantely 20 000 no fantara eto an-tany. Ny Apis mellifera angamba no karazana fantatra indrindran, izay ompiana anaty toho-tantely mba ho mpamindra vovobony ho an' ny voly sy mba hamokarana tantely. Na izany aza, dia mihinana mamim-boninkazo nefa tsy mamokatra tantely ny ankamaroan' ny karazana renitantely.

Thumb
Renitantely

Azo sokajiana araka ny fomba fiainany ny renitantely: renitantely fiompy na renitantelidia, minina irery na miara-miaina, sns. Tsy mitovy amin' ny fanenitra izy ireo amin' ny endriny sy ny fihetsiny, indrindra ny sakafony. Ny amboalambontantely na fandramalahy kosa dia karazana renitantely hafa.

Na dia heverin' ny maro ho bibikely miara-monina aza ny tantely rehetra dia tombanana fa ny 90 % amin' ny karazana tantely dia monina irery. Ireo karazana ireo ihany koa no atahorana kokoa ho lany tamingana raha motaha amin' ny tentely miara-miaina. Olana lehibe momba ny bibikely ny tsy fahafantaran' ny besinimaro an' io fisian-karazana atahorana ho lany tamingana io.

Atahorana mafy ho lany tamingana amin' izao fotoana izao ny tantely sy ny karazam-bibikely hafa mpamindra vovobony, izay 100 ka hatramin' ny 1 000 heny noho ny mahazatra, araka ny filazan' ny Firenena Mikambana, ny taham-paharipahany.

Tamin' ny Andro maneran-Tany ho an' ny Renitantely tamin' ny 20 May 2019 dia nanazava ny antony lehibe indrindra mahatonga ny fihenan' ny isan' ny bibikely mpamindra vovo-bony ny Firenena Mikambana: ny fampiasana fanafody famonoana bibikely, ny voly tokan-karazana, ny fiovan' ny toetany, ny fiovan' ny fampiasana ny tany ary ny fanimbana ny tontolo misy ny toeram-ponenany.

Ao amin' ny kolontsaina

Ohabolana malagasy

  • Aza manao fatin-dalitra, ka maty mitety ny ratsy ; fa manaova fatin-tantely, ka maty mamela mamy ho an' ny fokonolona
  • Tantely merika andro : ny ao an-trano ihany no hanina.
  • Maty mamela mamy toy ny renitantely.
  • Tantely manatody amim-pary : tafahaona samy mamy.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.