From Wikipedia, the free encyclopedia
I Serbia na Repoblikan' i Serbia, dia firenena ny Eorôpa Atsimo sy ao Eorôpa Afovoany, ao amin’ ny Saikanosy Balkanika. Mizara sisin-tany amin' i Bôsnia-Herzegôvina, amin' i Krôasia, amin' i Hôngria, amin' i Romania, amin' i Bolgaria, amin' ny Repoblika Masedônianina, amin' i Albania ary amin' i Môntenegrô i Serbia. I Belgrade no renivohiny. I Serbia dia ao amin’ ny antsaky ny tanin’ i Iogôslavia taloha. Amin' ny fiteny serba soratana amin' ny abidy sirilika dia Сpбија no anaran' i Serbia fa amin' ny fiteny serba soratana amin' ny abidy latina dia Srbija.
Република Сpбија ((sr)) | |||||
Republika Srbija sr | |||||
{{{nom_malgache}}} ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Samo Sloga Srbina Spašava | |||||
Teny ofisialy | fiteny Serba | ||||
Renivohitra | Belgrade 44°48′N 20°23′E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Belgrade | ||||
Fitondrana sy governemanta - filoha - Praiministra |
Repoblika Aleksandar Vučić Miloš Vučević | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 111 88 3611 km² 0,13 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 81 10 159 046 mpo. 106,34 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Serbe | ||||
Sandam-bola | Dinar serbe (hormis le Kosovo qui a adopté l’euro (RSD ) | ||||
Faritr'ora | UTC +1 (été +2) | ||||
Hiram-pirenena | Bože Pravde | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+381
Endrika:Notes pays |
Ny vohon-tanin’ ity firenena ity dia ahitana tany lemaka ao avaratra, havoana sy tendrombohitra ao atsimo. Ny korian-drano lehibe indrindra any dia i Danuba izay mikoriana ao amin’ ny tapany avaratr’ ity firenena ity.
Anisan’ ny vahoaka slava ny mponina ao Serbia. Ny Serbiana na Serba dia 80 %n’ ny mponina ao. Ny kristianisma ôrtôdôksa no fivavahana be mpanaraka indrindra any (85 %n’ ny mponina).
Nitsilopilopy noho ny ady tao Iogôslavia (tamin’ ny taona 1991 hatramin’ ny 1995) sy ny sazy nampiharin’ ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny toekaren’ i Serbia. Mifototra amin’ ny voly voamadinika ny fambolena ary trandrahana koa ny ala. Naka tahaka ny rafi-toekaren’ ny Firaisana Sôvietika (izay nanjaka tamin’ i Iogôsavia taorian’ ny Ady Lehibe Faharoa) ny toekaren’ i Serbia ka ny taozava-baventy fitrandrahana sy fanodinana metaly no manan-danja indrinda ao.
I Serbia dia teraky ny fivakisan’ ny Repoblika Sôsialista Federativan’ i Iogôslavia tamin’ ny taona 1992 sy ny fizaràn’ i Serbia-Môntenegrô ho firenena roa mahaleo tena (Serbia sy Môntenegrô) tamin’ ny taona 2006. Tamin’ ny taona 2008 dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Kôsôvô, izay faritany tao amin’ ny tapany atsimon’ i Serbia, faritany ahitana Albaney izay maro anisa ao.
Demôkrasia mônôkameraly ny fomba fitondrana ao Serbia.
Firenena ao Eorôpa
Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
Kôntinenta eto an-tany
I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Serbia |
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.