I San-Marîno dia firenena ao Eorôpa Atsimo, tsy manana morontsiraka, mihitsoka tanteraka eo anelanelan’ ny faritanin’ i Émilie Romagne sy ny faritanin’ i Marches ao amin’ ny tapany avaratra-atsinanan’ i Italia. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Dogana. Mirefy 61,2 km2 ny velaran-taniny ary miisa 32 576 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny 31 Jolay 2012. Ny faritr' ora dia +1. Katôlika ny ankamaroan’ ny mponina ao San-Marino.

Thumb
Sainan' i San Marîno
Thumb
Sarin-tanin' i San Marino ao Eorôpa

Ao amin’ ny fototr’ ireo tendrombohitra Apennino no misy an' i San-Marîno. Fifandimbiasana havoana anjakan’ ireo tendro vaton’ i Titano (izay manana haambo 739 m) ny vohon-tany any amin' io firenana io.

Tamin’ ny taonjato faha-14 no niorina i San-Marîno izay repoblika afaka tranainy indrindra eto an-tany. Na dia mihitsoka ao amin’ ny tanim-pirenen’ i Italia aza i San-Marîno dia manana fahefana mahaleo tena sy manana ny fiandrianany.

Jereo koa

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.