Raki-pahalalana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny raki-pahalalana (izay manana tsipelina maro) dia boky firaketana ny fampahalalana mikasika ny fahaizan' ny olombelona.[1] Ny raki-pahalalana ankehitriny dia na vita taratasy (toy ny Rakibolana Rakipahalalana) na eo amin' ny Aterineto (toy ny Wikipedia) izay mirakitra lahatsoratra maro amin' ny taranja iray ho an' ny raki-pahalalana manokana, na amin' ny taranja rehetra ho an' ny raki-pahalanana tsotra.
Roa arivo taona izay no nisian' ny rakipahalalana voalohany; ny rakipahalalana voalohany, Tantara Voajanahary ("Histoire Naturelle" amin' ny teny frantsay), dia nosoratan' i Pliniosy Be Taona tamin' ny taona 77 tany ho any. Ny raki-pahalalana araka ny ahalalantsika azy amin' izao fotoana izao, dia nipoitra tamin' ny taonjato faha-17. Tafiditra anaty boky iray ny raki-pahalalana, kanefa ny raki-pahalalana sasany, toa ny Encyclopaedia Britannica amin' ny fiteny anglisy, na ny Enciclopedia universal ilustrada europeo-americana amin' ny fiteny espaniôla, dia raki-pahalalana misy "volume" amam-polony (32 ho an' ilay voalohany, 70 ho an' ilay faharoa). Ankehitriny, misy raki-pahalalana elektrônika (an-tranonkala na amin' ny CD), toy ny Wikipedia (manana sampanana amin' ny fiteny mahery ny 250), na Citizendium.