Pôliteisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny pôliteisma dia fivavahana na fiheverana filôzôfika inoana ny fisian' ny andriamanitra maro sy anompoana azy ireo. Isan-karazany ny endrika isehoan' ny fivavahana amin' andriamanitra maro. Amin' ny ankapobeny dia inoana ho manana endrika sy toetra mitovitovy amin' ny an' ny olombelona ny andriamanitra. Amin' ny ankapobeny koa dia manana ny anjara toerany ao amin' ny lamina misy ambaratonga ireo andriamanitra ireo ka ny fedrà no mitantara sy manazava izany. Matetika dia mifangaro amin' ny fivavahana amin' andriamanitra tokana (mônôteisma) ny fivavahana amin' andriamanitra maro ka misy ny fivavahana pôliteista izay heverina nivoatra nakany amin' ny mônôteisma.
Ny mpikaroka dia mihevitra fa avy amin' ny tahotra sy ny fanajana ny herin' ny zavaboary no niavian' ny fivavahana amin' andriamanitra maro izay nikendrena ny hifehezana ireo hery ireo ka izany no nanaovan' ny vahoaka sasany ny zavatra eny amin' ny lanitra (masoandro, volana, kintana sns.) sy ny zava-manan' aina sasany (biby sy zavamaniry) ary ny zavatra hafa koa (tendrombohitra, afo, sns.) ho andriamanitra. Ny fandaminana misy eo amin' ny fiarahamonin' olombelona no heverina fa fandaminana misy koa ao amin' ny tontolon' ireo andriamanitra ireo. Tsy mora noho izany ny manavaka ny fivavahana pôliteista sasany amin' ny animisma na ny tôtemisma, eny fa na amin' ny panteisma koa aza.