From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Patriarkata Ekiomenikan' i Kônstantinôpla iray amin' ireo fiangonana aotôsefaly dimy ambin' ny folo ka hatramin' ny fito ambin' ny folo izay miara-mamorona ny Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanana. Amin' ny teny grika vaovao izy dia atao hoe Oικουμενικό Πατριαρχείο Kωνσταντινουπόλεως / Oikoumenikó Patriarkheío Kōnstantinoupóleōs; amin' ny teny latina dia atao hoe Patriarchatus Oecumenicus Constantinopolitanus; amin' ny teny tiorka dia Rum Ortodoks Patrikhanesi, İstanbul Ekümenik Patrikhanesi.
Ny patriarka ekiomenikan' i Kônstantinôpla, Bartholomaios I, arsevekan' i Kônstantinôpla no mpitarika azy amin' izao fotoana izao, nanomboka tamin' ny 2 Nôvambra 1991.
Io toerana misy azy io dia mifandray amin' ny satan' i Kônstantinôpla taloha izay renivohitry ny Empira Rômana Atsinanana, izay niova anarana ho Istanbul ankehitriny. Ny patriarikata dia anaram-boninahitra sady andraikitra laha filoha mifandray amin' ny foibe episkôpaly, ny Arsidiôsezy Ôrtôdôksan' i Kônstantinôpla. Ny fahambonian' ny patriarkan' i Kônstantinôpla, miohatra amin' ireo fiangonana ôrtôdôksa mahaleo tena hafa, dia heverin' ny Ôrtôdôksa fa voninahitra omena azy fotsiny, toy ny an' ny papa talohan' ny Fisarahan' ny Fiangonana Tatsinanana sy Tandrefana tamin' ny taona 1054.
Ny anaram-boninahitra feno dia "Arsevekan' i Kônstantinôpla, Rôma Vaovao ary Patriarka Ekiomenika", ka ao Phanar (amin' ny teny grika vaovao: Φανάρι / Phanari), vakin-tanàna grika tranainy any Istanbul.
Fiangonana aotôsefaly niorina tamin' ny taonjato voalohany:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.