From Wikipedia, the free encyclopedia
I Laôdikea na Laôdikia na Laôdisea dia tanàna renivohitr' i Frigia na Frizia any Azia Minora. Antsoina amin' ny teny latina hoe Laodicea ad Lycum ("Laôdikea amoron' i Likôsy" na "Laôdisea amoron' i Likôsy") mba hiavahany amin' ny fampiasana io anarana io ho anaran' olona. izy. Amin' ny teny grika kosa dia atao hoe Λαοδίκεια ἡ ἐν Φρυγία / Laodikeia ê en Phrugia ("Laôdikean' i Frigia" na "Laôdisean' i Frizia") izy. I Likôsy dia tsy inona fa renirano manondraka ny lemak' i Denizli sy ny lemak' i Çürüksu any Torkia; ankehitriny ny Torka dia miantso io renirano io hoe Çürüksu Çayı (midika hoe "reniranon' ny rano lo"). Mbola hita ny sisam-paharavan' io tanàna io eo anelanelan' ny tanàna ambanivohitr' i Goncali sy ny vakin-tanàn' i Eskihisar, 6 km miala ny ivon' i Denizli ao Torkia. Nandroso kokoa noho i Kôlôsia (na Kôlôsy) tanàna akaiky azy i Laôdikea tamin' ny fotoan'androny.
Noho ny habetsahan' ny Jiosy na Jody monina ao Laôdikea dia lasa fiangonana nanana eveka izy. Iray amin' ireo Fiangonana fiton' i Azia resahina ao amin' ny bokin' ny Apôkalipsy (Apô 3.14-22)[1] ny fiangonan' i Laôdikea: manome tsiny ny Kristiana tao Laôdikea ny mpanoratra noho izy "matimaty" (Apô 3.16). Nisy kônsily lehibe natao tao Laôdikea tamin' ny taona 364 taor.J.K., dia ilay atao hoe Kônslin' i Laôdikea.
Tanàna misy ireo fiangonana fiton' ny Apôkalipsy:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.