Karite
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny karite, izay antsoina koa hoe hazo dibera dia hazo ao amin' ny karazan-javamaniry Vitellaria, izay an' ny fianakavian-javaaniry Sapotaceae. Ny voany no ampiasaina hanaovana dibera karite. Atao hoe Vitellaria paradoxa na Butyrospermum parkii ny anarany ara-tsiansa. Maniry any amin' ny hivoka any Afrika Andrefana sy Afrika Afovoany izy io ary karazan-javamniry atahorana ho lany tamingana.