![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/62/Caribbean_%2528orthographic_projection%2529.svg/langmg-640px-Caribbean_%2528orthographic_projection%2529.svg.png&w=640&q=50)
Karaîba
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Karaîba na Karaiba dia faritra any Amerika voafaritry ny Ranomasina Karaîba, ao atsimo-atsinanan' ny Hoalan' i Meksika sy atsimo-atsinanan' i Amerika Afovoany ary ao avaratr' i Amerika Atsimo no misy an' io faritra io. Ahitana nosy miisa 700 any ho any ny ao amin' io faritra io. Mizara faritra roa i Karaîba, dia i Karaîba a-nosy (ahitana ireo nosy Antilia sy ny nosy Bahamasy) sy ny Karaîba an-tanibe (ny faritry ny morontsirak' i Amerika Afovoany, ny an' i Kôlômbia, ny an' i Venezoela, ny an' i Goiana, ny an' i Sorinama, ny an' i Goiana Frantsay ary ny tapany atsimon' i Florida any Etazonia).
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/ab/LocationCaribbean.png/320px-LocationCaribbean.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/62/Caribbean_%28orthographic_projection%29.svg/320px-Caribbean_%28orthographic_projection%29.svg.png)