![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/8f/Yennayer.jpg/640px-Yennayer.jpg&w=640&q=50)
Tetiandro mozilmana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tetiandro mozilmana na tetiandro silamo dia tetiandro ampiasain' ny fivavahana silamo ka ny iray volana ao aminy, izay mitovy amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana manodidina ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro manara-bolana tanteraka ny tetiandro mozilmana. Ny fanombohan' ny volana tsirairay dia mifanandrify amin' ny fotoan' ny tsinam-bolana hitan' ny maso. Ampiasaina indrindra amin' ny fankalazana fety amin' ny fivavahana silamo ny tetiandro mozilmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro na amin' ny fizaràn-taona; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin' ny tetiandro manara-bolana sy masoandro toy ny tetiandro hebreo.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/8f/Yennayer.jpg/320px-Yennayer.jpg)
Ny taona 1 amin' ny tetiandro mozilmana dia mifanandrify amin' ny taona 622 taor. J.K. amin' ny tetiandro gregôriana ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin' ny 15 na 16 Jolay tamin' io taona 622 io. Andro voalohany amin' ny volana Muharram izany. Io no andro voalohany tamin' ny fifindrà-monin' ny mpaminany Mohamady sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin' ny anarana hoe Madîna amin' izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe Hiǧrah (هجرة) amin' ny teny arabo. Folo taona taorian' io andro io no nampiasana ny tetiandro mozilmana. Atao hoe التقويم الهجري / at-taqwīm al-hijrī io tetiandro io amin' ny teny arabo.