Kônsily Vatikàna I
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Kônsily Vatikàna I dia kônsily ekiomenikan' ny Eglizy Katôlika faha-20, izay nanamafisana ny fahambonian' ny papa sady namaritra ny tsy fetezan-dison' ny papa. Noho ny fangatahan' ny papa Pio IX izay naniry ny hamaly ny rasiônalisma môderna, izany kônsily izany dia natomboka tamin' ny 29 Jona 1868, tamin' ny fotoana nandrahonan' ny Fanjakan' i Italia haka ampahany amin' ny Fanjakan' ny Papa. Taonjato telo taty aorian' ny nanaovana ny Kônsily tao Tridentio (1563) no nanaovana azy. Natao in-93 tao amin' ny Bazilika Masindahy Piera any Rôma teo anelanelan' ny 8 Desambra 1869 sy 20 Ôktôbra 1870 ny fanatanterahana ilay kônsily. Ny fanapahan-kevitra malaza indrindra dia ny famaritana ny tsy fetezan-dison' ny papa.
Ny tena tanjon’ ilay kônsily dia ny hanazava ny foto-pampianarana katôlika ho setrin’ ny fitomboan' ny fitaoman' ny filôzôfia môderna tamin' ny taonjato faha-19. Tao amin' ny Kônstitosiôna Dôgmatika momba ny finoana katôlika (Dei Filius), ity kônsily ity dia manameloka izay noheveriny ho fahadisoan' ny rasiônalisma, ny anarsisma, ny kôminisma, ny sôsialisma, ny liberalisma, ny materialisma, ny môdernisma, ny natoralisma, ny panteisma, ary ny sekiolarisma. Anisan' ny zavatra nisahiranana koa ny foto-pampianarana momba ny fahambonian' ny Evekan' i Rôma (ny Papa), izay nofaritany tao amin' ny Kônstitosiôna Dôgmatika Voalohany momba ny Eglizin' i Kristy (Pastora aeternus).