Ny kônsily tao Rôma tamin' ny taona 382 dia kônsily novorin' ny papa Damaso I tao Rôma tamin' ny taona 382. Eveka telo ihany avy amin' ny fiangonana tatsinanana no nanatrika. Ny eveka tatsinanana sisa dia nandray anjara tamin' ny kônsily nampanaovin' ny eperoran' i Atsinanana tao Kônstantinôpla tamin' io taona io ihany, mba hanamafisana ny fanapahan-kevitra tamin' ny kônsily ekiomenika faharoa (ny kônsily voalohany tany Kônstantinôpla). Ity kônsilin' i Rôma ity, izay nanaraka ny hevitr' i Jerôma avy any Stridôna, dia nanameloka ny apôlinarisma izay fampianaram-pinoana mandà ny natiora maha olombelona tokoa an' i Jesoa Kristy sady niezaka nanangana fiangonana misaraka amin' ny fiangonana ôfisialy.

Thumb
Ny papa Damaso I

Izany kônsily izany no nandraikitra ny kanônan' ny Soratra Masina eken' ny Fiangonana latina, izay nohamafisina nandritra ny kônsily natao tao Kartazy tamin' ny taona 397 sy 419.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.