Ny hermeneotikan' ny Baiboly dia fandalinana ireo foto-kevitra momba ny fanakarana ny hevitry ny lahatsoratra ao amin' ireo bokin' ny Baiboly. Ampahany iray amin' ny sehatra midadasiky ny hermeneotika izy io, izay ahitana ny fandalinana ny foto-kevitry ny fanakaran-kevitra (dika), na ny rijan-kevitra (teôria) na ny fomba fiasa (metôdôlôjia), ho an' ny karazana fifandraisana rehetra, na ampiasana ny fiteny na tsia.

Na dia misy fifanojoan-kevitra sy fifanakalozana aza ny hermeneotikan' ny Baiboly jiosy sy kristiana, dia manana fomba nifandovana momba ny fanakarana ny hevi-teny miavaka tsara azy manokana izy roa ireo. Ao amin' ny jodaisma, ny hermeneotikan' ny Baiboly dia mampiasa indrindra ny midrasa, izay fomba fiasa anakarana ny tian' ny Baiboly hebreo holazaina sy ny fitsipika maro izay mandrafitra ireo lalàna jiosy (halakà). Ao amin' ny kristianisma ny hermeneotikan' ny Baiboly dia miankina amin' ny foto-pampianarana maro.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.