![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d0/Emblem_of_the_Hasmonean_dynasty.svg/langmg-640px-Emblem_of_the_Hasmonean_dynasty.svg.png&w=640&q=50)
Hasmôneana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Hasmôneana dia fianakaviana tonga teo amin' ny fitondrana ara-pôlitika sy ara-pivavahana tao Jodea (na Jodia) tamin' ny vanimpotoana nisian' ny fikomian' ny Makabeo natombok' ilay mpisorona atao hoe Matatia na Matatiasy avy amin' ny taranak' i Jehôjariba (Yehoyarib) tamin' ny taona 168-167 tal. J.K. sady nohatevenin' ireo Jiosy atao hoe Hasideana. Ao amin' ireo boky kristiana dia atao hoe Makabeo koa ny Hasmôneana. Maty i Matatià iray taona taorian' ny nipoahan' ny fikomiana. Ny zanany lahy atao hoe Jodasy Makabeo (na Jodà Makabeo), izay tsy lahimatoa, no nandimby an' i Matatià. Maro ny ady natrehin' i Jodasy Makabeo talohan' ny hahazoany indray an' i Jerosalema sy hamerina indray ny fanompoam-pivavahana jiosy ao amin' ny Tempoly tamin' ny taona 164 tal. J.K. I Jonatàna, izay nandimby an' i Jodasy Makabeo, no nisalotra voalohany ny anaram-boninahitra hoe mpisoronabe nandritra ny folo taona, teo anelanelan' ny taona 152 sy 142 tal. J.K.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d0/Emblem_of_the_Hasmonean_dynasty.svg/320px-Emblem_of_the_Hasmonean_dynasty.svg.png)