Boky deoterôkanônika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny boky deoterôkanônika dia boky filamatry ny finoana (na kanônika) hita ao amin' ny Baiboly sasany (indrindra ny an' ny Katôlika sy ny an' ny Ôrtôdôksa) nefa tsy isan' ny boky filamatry ny finoana ao amin' ny Baiboly hafa (indrindra ny an' ny Prôtestanta). Amin' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa, ny boky deoterôkanônika dia mitovy lanja amin' ireo atao hoe boky prôtôkanônika izay samy filamatry ny finoana mitovy aminy. Ny Testamenta Taloha no tena fantatra fa misy boky deoterôkanônika. Tsy hita ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) izy ireo. Ny kanôna katôlika sy ôrtôdôksa dia fitambaran' ny boky prôtôkanônika sy ny boky deoterôkanônika. Samy manana ny lisitry ny boky izay ataony hoe deoterôkanônika ny Fiangonana katôlika sy ny ny Fiangonana ôrtôdôksa samihafa ary ny Fiangonana anglikana.
Miantso ny ankamaroan' izy ireo hoe "boky apôkrifa" ny Prôtestanta. Ny boky tsy ao anatin' ny lisitry ny boky apôkrifa prôtestanta dia ataony hoe boky pseodepigrafa. Ny boky tsy anisan' ny protôkanônika sy deoterôkanônika no ataon' ny Katôlika hoe boky apôkrifa. Mitovitovy hevitra izany ny hoe pseodepigrafa (prôtestanta) sy ny hoe apôkrifa (katôlika).