Baiboly prôtestanta
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Baiboly prôtestanta dia Baiboly kristiana araka ny fandikan-tenin' ny Prôtestanta izay sady vokariny no ampiasainy indrindraindrindra amin' ny fotoam-pivavahana. Ny ao amin' io Baiboly io dia ahitana bokin' ny Testamenta Taloha miisa 39 (araka ny kanônan' ny Baiboly hebreo izay ataon' ny fiangonana katôlika sy ôrtôdôksa hoe prôtôkanônika) sy ny boky 27 ao amin' ny Testamenta Vaovao ka manome ny fitambarany ho boky 66. Tsy ahitana ny boky atao hoe deoterôkanônika ao amin' ny Testamenta Talohan' ny Baiboly katôlika sy ôrtôdôksa ny ao amin' ny Baiboly prôtestanta. Noraiketina izany fanao izany araka ny fanapahan-kevitry ny British and Forein Bible Society tamin' ny taona 1825.