Makabeo
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Makabeo dia fianakaviana jiosy nitolona ho an' ny tanindrazany sady nanana ny maha izy azy tamin' ny taonjato faha-2 sy voalohany tal. J.K. na ara-pôlitika na ara-pivavahana. Atao hoe מכבים / Makabim na מקבים / Makavim izany amin' ny teny hebreo. Fantatra amin' ny anarana hoe Hasmôneana koa izy ireo araka ny anaran' ny razambeny hoe Hasmôna. Anaram-bosotra ny hoe Makabeo (angamba avy amin' ny teny arameana hoe maqqābâ izay midika hoe "tantanana"). I Jodasy Makabeo no nitondra ilay anarana voalohany nefa niitatra ho amin' ny fianakaviana iray manontolo izany. Nitarika ny vahoaka jiosy tamin' ny tolom-panafahana nanoherana ny Fanjakan' i Siria (ny an' ny Seleokida) ny Makabeo. Ny asa vitan' izy ireo sy ny tantara miendrika angano manodidina azy ireo dia taterin' ireo asasoratra atao hoe Bokin' ny Makabeo ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly katôlika sy ôrtôdôksa.
Ao amin' ny lovantsofina kristiana dia atokana hiantsoana ireo mpirahalahy fito sy ny reniny izay maty maritira ny anarana hoe Makabeo, araka ny toko faha-7 ao amin' ny Boky faharoan' ny Makabeo.