![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/e7/Wolof_language_map.svg/langmg-640px-Wolof_language_map.svg.png&w=640&q=50)
Fiteny vôlôfo
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny vôlôfo na fiteny oôlôfo dia fiteny any Senegaly, any Gambia ary any Maoritania. Ao amin' ny sampana atlantikan' ny fiteny nizerô-kôngôley izy. Lavitra be amin' ny fiteny peola ny endriny. Manana fifandraisana amin' ny fitenin' ny faritra eo akaiky izy toy ny fiteny serere, ny fiteny diola, ny fiteny basary ary ny fiteny bainoka izy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/e7/Wolof_language_map.svg/257px-Wolof_language_map.svg.png)
Misy miteny io fiteny io koa any Gambia sy any Maoritania, ary manana fiseho ara-kolontsaina azy manokana izy. Miankina amin' ny firaisan-kinany io; mifankazo tsara ny mpitenin' ny faritra, ny mahasamihafa azy fotsiny dia ny roky sy ny teny indramina amin' ny fiteny hafa, ohatra: roky lebo, roky saint-louiien, sns.