Fiteny kositika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny kositika dia fianakaviam-piteny ao amin' ny Tandrok' i Afrika (Jibotỳ, Etiôpia, Sômalia, Eritrea) sy ao amin' ny Lohasahan' i Nily ary manamorona ny morontsiraky ny Ranomasina Mena (hatrany Sodàna ka hatrany amin' ny faritra atsimo ao Ejipta). Avondrona ho sampan' ny fianakaviam-piteny hamitô-semitika (na afrô-aziatika na afraziana) ireo fiteny ireo, izay miely ao amin' ny antsasany avaratr' i Afrika hatrany Atsinanana Akaiky (ny fiaviana sy ny fitodiky ny fielezan' ireo fiteny ireo dia tsy fantatra mazava, mety avy any Azia ka nankany Afrika na ny mifamadika amin' izany). Tamin' ny taona 1858 no nanomezana io anarana hoe kositika io.
Ny teny hoe "kositika" dia avy amin' ny anarana hoe Kosy izay hita ao amin' ny Bokin' ny Genesisy ao amin' ny Baiboly, izay anaran' ny zanak' i Hama (na Kama) zafikelin' i Nôa (na Nôe), sady niavian' ny anaran' ny vahoaka atao hoe Kosita ao amin' ny Fanjakan' i Kosy tao atsimon' i Ejipta sy tao Etiôpia.
Ny fiteny kositika maro mpiteny indrindra dia ny fiteny ôrômô tenenina indrindra ao Etiôpia sady misy mpiteny miisa any amin' ny 35 tapitrisa, manaraka azy ny fiteny sômalỳ izay misy mpiteny miisa 20 tapitrisa (anisan' izany ny mponina any am-pielezana), ny fiteny afara izay misy mpiteny miisa 5 tapitrisa (Etiôpia, Jibotỳ, Eritrea) ary ny fiteny sidama izay misy mpiteny any amin' ny 3 tapitrisa.
Misy fiteny kositika iray, ny fiteny beja izay tenenin' ny olona miisa 1,2 tapitrisa. Ny fiteny sômalỳ, izay fiteny ôfisialy manampy ny fiteny arabo, no hany fiteny kositika ampiasaina amin' ny fomba ôfisialy ao amin' ny firenena iray. Anisan' ireo fitenim-pirenena ao Jibotỳ miaraka amin' ny fiteny afara ny fiteny sômalỳ.