Fiteny hamitô-semitika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny hamitô-semitika, izay atao hoe koa fiteny afrô-aziatika, dia fianakaviam-piteny tenenina indrindra ao Afrika Avaratra, ao amin' ny Tandrok' i Afrika, ao Atsinanana Afovoany, ao amin' ny faritr' i Sahara ary ao amin' ny ampahany amin' ny faritr' i Sahel. Miisa 350 any ho any ny fiteny ao amin' io fianakaviam-piteny io ary miisa 410 000 000 ny mpiteny azy. Fahefatra maneran-tany io fianakaviam-piteny io raha ny isan' ny mpiteny no heverina, ka ny eo alohany, araka ny filaharany avy, dia ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana sy ny fianakaviam-piteny sinô-tibetana ary ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley.
Ny fiteny hamitô-semitika dia misampana enina, dia
- ny sampam-piteny berbera,
- ny sampam-piteny kositika,
- ny sampam-piteny semitika,
- ny sampam-piteny egiptiana taloha,
- ny sampam-piteny tsadika,
- ary ny sampam-piteny ômôtika.
Ny fiteny afrô-aziatika be mpiteny indrindra dia ny fiteny arabo. Izy ihany koa no be mpiteny indrindra ao amin' ny fiteny semitika, izay lasa aloha lavitra an' ireo fiteny amharika izay laharana faharoa amin' ny fiteny semitika be mpiteny.
Ankoatr' ireo fiteny mbola misy mpiteny ankehitriny dia maro ireo fiteny be mpiteny tamin' ny Andro Taloha ao amin' ny fianakaviam-piteny hamitô-semitika, dia ny fiteny egiptiana taloha sy ny fiteny akadiana ary ny fiteny geezy.