![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b5/Map_of_African_language_families.svg/langmg-640px-Map_of_African_language_families.svg.png&w=640&q=50)
Fiteny aty Afrika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny aty Afrika dia ireo fiteny tenenin' ny mponin' i Afrika, fiteny tombanana ho 2 000 any ho any, izay tenenin' ny olona miisa 1 000 tapitrisa any ho any, nefa ireo fiteny be mpampiasa dia vitsy sady maro amin' izy ireo no endri-piteny isam-paritra. Arakaraka ny fomba fiasan' ny manampahaizana no anisana ho 200 na 2 000 ireo fiteny ireo. Ny 50 eo ho eo ihany no misy mpiteny mihoatra 1 000 000 any ho any. Akoatry ny fitenin' ny mpanjana-tany (toy ny fiteny anglisy, ny fiteny frantsay, ny fiteny espaniôla, ny fiteny pôrtogey, sns), maro dia maro ireo fiteny afrikana voasokajy ho fianakaviam-piteny dimy: ny fiteny afrô-aziatika na hamitô-semitika, ny fiteny nilô-sahariana, ny fiteny nizerô-kôngôley, ny fiteny kôizana ary ny fiteny aostrôneziana.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/45/Map_of_African_languages.svg/640px-Map_of_African_languages.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b5/Map_of_African_language_families.svg/640px-Map_of_African_language_families.svg.png)