Fiteny slava atsinanana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny slava atsinanana dia vondrom-piteny izay mandrafitra zana-pizaràn' ny fianakaviam-piteny slava (miaraka amin' ny fiteny slava atsimo sy ny fiteny slava andrefana), izay ao amin' ny fianakaviambem-piteny indô-eorôpeana. Ny fiteny niraisana izay nampiasaina hatramin' ny taonjato faha-14 dia ny fiteny rosiana antitra. Ny fiteny rosiana, ny fiteny bielôrosiana, ny fiteny rotena na rosina ary ny fiteny okrainiana dia ao amin' ny fianakaviam-piteny slava atsinanana.