Ny fiteny rosina na fiteny rotena na fiteny rosniaka dia fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny slava atsinanana ikambanan' ny fiteny rosiana sy ny fiteny okrainiana ary ny fiteny bielôrosiana. Misy ny milaza fa fiteny mahaleo tena ny fiteny rosina, fa misy koa ny milaza fa endriky ny fiteny okrainiana ihany izy. Fiteny maty ny fiteny rosina ankehitriny, izay fitenin' ny vahoaka rosina taloha. Atao hoe fiteny karpatô-rotena (na karpatô-roteniana) na fiteny rotena vaovao (na roteniana vaovao) koa io fiteny io.

Thumb
Amin' ny manga antitra, faritra misy ny ankamaroan' ny mpiteny rosina. Amin' ny manga tanora, faritra misy mpiteny rosina vitsy anisa.

Ity fiteny ity dia tsy afangaro amin' ny fiteny roteniana.

Amin' ny fanasokajiana ara-kaifiteny, ny fiteny rosina dia ao amin' ny fiteny slava atsinanana miavaka, na anisan' ny fiteny vitsy dia vitsy mpiteny. Atao hoe русиньскый язык / rusinskiy yazik izy amin' ny fiteny rosina.

Ny hanapahana hoe fiteny manokana na fitenim-paritra tokana na maro ao amin' ny fiteny okrainiana ny fiteny rosina dia mbola iadian-kevitra eo amin' ny mpahay teny na eo amin' ny mpanindrahindra tanindrazana amin' ny firehana isan-karazany (sahala amin' ny fiteny makedôniana manoloana ny fiteny bolgariana), na dia tsy fiteny ôfisialy ny fiteny rosina na rotena, na dia manana satan' ny fitenin' ny vitsy anisa ekem-pisiana, indrinda ao Slôvakia ao amin' ny faritr' i Prešov.

Jereo koa

  • Rosina (vahoaka)

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.