From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Faritanin' Antananarivo dia faritany malagasy misy ny renivohitr' i Madagasikara. Ny velarantaniny dia 58 283 km2. Ny isa-mponiny dia misy 4 580 788 (tamin' ny Jolay 2001). Ny renivohiny dia Antananarivo, renivohitr' i Madagasikara koa. Ny Faritanin' Antananarivo irery no faritany tsy manana morontsiraka amin' ny faritanin' i Madagasikara. Tsy vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany taorian' ny fanavaozana ny Lalàmpanorenana tamin' ny Avrily 2007 izay nametraka ny faritra nefa naverina ny maha vondrom-paritra itsinjaram-pahefana azy tamin' ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010 na dia tsy nohajaina aza izany.
Misy faritra efatra ny ao amin' ny Faritanin' Antananarivo: Faritra Itasy, Faritra Analamanga, Faritra Bongolava, Faritra Vakinankaratra, Faritra Itasy, Faritra Analamanga, Faritra Bongolava, Faritra Vakinankaratra.
Ireto avy ny distrika ao amin' ny Faritra Analamanga:
Roa ny isan' ny diatrika ao amin' ny Faritra Bonglava:
Voazara ho distrika telo ny Faritra Itasy:
Ny Faritra Vakinankaratra dia voazara ho distrika enina :
Lahatsoratra samihafa
Didy aman-dalàna
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.