![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/f2/Flag_of_Costa_Rica.svg/langmg-640px-Flag_of_Costa_Rica.svg.png&w=640&q=50)
Kôsta Rika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Kôsta Rika, na Repoblikan' i Kôsta Rika, dia firenena any Amerika Afovoany, any Amerika Latina, voafaritr' i Nikaragoa ao avaratra, i Panama ao atsimo-atsinanana, ny Ranomasimbe Pasifika ao andrefana ary ny Ranomasina Karaiba ao atsinanana. I Kôsta Rika no firenena voalohany nanafoana ny tafika ao aminy ka tsy manana izy ankehitriny. Ny renivohiny dia i San José. Ny fiteny espaniôla no fiteny ôfisialy ary ny fiteny anglisy no fiteny faharoa ampiasaina any. Ny vola ampiasaina any dia ny colón.
República de Costa Rica ((es)) | |||||
{{{nom_malgache}}} ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : ¡Vivan siempre el trabajo y la paz! (Hiaina mandrakizay ny asa sy ny fandriampahalemana !) | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | fiteny espaniola | ||||
Renivohitra | San José 9° 56′ N, 84° 05′ O | ||||
Tanàna ngeza indrindra | San José | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha |
Repoblika Oscar Arias | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 125 51 100 km² 0,7 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 119 4 195 914 mpo. 85 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Kostarikanina | ||||
Sandam-bola | Colón kostarikanina (CRC ) | ||||
Faritr'ora | UTC -6 | ||||
Hiram-pirenena | Noble patria, tu hermosa bandera | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+506 |
Ny vohon-tanin' i Kôsta Rika dia isan-karazany mifanohitra. Mamakivaky ity firenena ity avy any avaratra ka hatrany atsimo ny tandavan-tendrombohitra lava (cordillères) efatra, ka ny toerana avo indrindra dia i Cerro Chirripó Grande (3 819 m) sy ny volkano mbola velona Irazú (3 432 m). Eo anelanelan' ireo tandavan-tendrombohitra ireo no misy ny lembalemba Valle Central, izay misy ny 75 % amin' ny mponina. Ny lemaka amorontsiraky ny Ranomasina Karaiba dia midadasika, fa ny ao amin' ny morontsirak' i Pasifika kosa dia somary tery. Rakotra ala ny ampahatelon' ny valaran' ilay firenena. Trôpikaly ny toetanin' i Kôsta Rika any amin' ny morontsiraka, fa mafana kosa ny tany avo afovoany. Tsy sahala amin' ny firenena any Amerika Afovoany i Kôsta Rika fa ahitana mponina fotsy hoditra maro anisa manam-piaviana eorôpeana (90 %). Malalaka ny fivavahana any Kôsta Rika nefa fivavaham-panjakana ny fivavahana katôlika. Monina an-tanàn-dehibe ny ankamaroan' ny mponina. Ny miompna amin' ny fambolena ny toekaren' i Kôsta Rika, ka ny tena volena amin' izany dia ny akondro sy ny kafe. Nahazo fahaleovan-tena tamin' ny taona 1821 ity firenena ity.