Clovis I
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Clovis I no mpanorina ny tarana-mpanjaka Merôvinjiana ary mpanjaka voalohan' ny Franka; nanjaka tamin’ ny taona 481 ka hatramin’ ny taona 511 izy. Teraka tamin' ny taona 466 tao Tournai ary maty tamin' ny 27 Nôvambra 511 tao Paris izy.
Clovis I | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Clovis I | ||
Teraka | 1 Janoary 466 | ||
Maty | 27 Novambra 511 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Frantsa | ||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
Mpanjaka voalohany tao Belzika Faharoa, faritra avaratra amin' i Frantsa ankehitriny, nandresy an' i Soissons i Clovis tamin' ny taona 486 ary nanitatra ny tany fananany manerana an' i Galia Avaratra manontolo.
Tamin' ny manodidina ny taona 498 dia niova ho kristiana niaraka tamin’ ny miaramilany an’ arivony maro izy, avy eo nandresy ny tapany atsimo-andrefana amin' i Galia. Nataony renivohitry ny fanjakany i Paris, izay niitatra hatrany amin’ ny tangorom-bohitra Pyrénées ka hatrany amin’ ny reniranon’ i Rhin.
Tamin' ny fahafatesany tamin' ny taona 511 dia ny Fanjakana Merovinjiana dia nozaraina tamin' ny zanany efatra: i Thierry (Theudoricus), i Clodomir (Chlodomer), i Childebert ary i Clotaire (Chlothar).