I Paris, izay indraindray ataon' ny mpanoratra amin' ny teny malagasy hoe Parisy, dia tanàna renivohitr' i Frantsa. Izy no tanàna ngeza indrindra any Frantsa, izy no renivohitr' i Île-de-France, ary Paris intra-muros irery no Commune-Departement any Frantsa. Eo amin' ny vondro-milefaka voalohany indrindra ny la Seine i Paris, eo ampovoan' ny Bassin Parisien, any aniràny no misy ny vinanin-drano anelanelan' i Marne sy i Seine. Any anavàn' i Paris no misy an' i Oise. Parizianina ny anaran' ny olona mipetraka any Paris.

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Tanàna ao Frantsa ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Paris
-
VelarantanyNC
Isam-ponina2,181,371 mponina
Tanànan-dehibe11,174,740
Ben'ny tanànaAnne Hidalgo
FirenenaFrantsa Frantsa
FaritanyÎle-de-France
FaritraNC

Tamin' ny taonjato faha-17 i Paris no renivohitry ny fahefana eorôpeana voalohany, tamin' ny taonjato faha-18 izy no renivohitra ara-kolontsain' i Eorôpa ary tamin' ny taonjato faha-19 izy no renivohitra ny taozavatra sy ny fahafaliana. Tamin' ny taona 2008, raha isaina daholo ny trano ipetrahana rehetra, dia 28 tapitrisa ny isan' ny mpandendeha tao Paris, araka ny lazain' ny Office de Tourisme sy ny Kongresin' ny renivohitra frantsay. I Paris no renivohitra ara-toekarenan' i Frantsa.

Tantara

Fantatra fa efa nisy nipetraka teo amin' ny toerana misy an' i Paris, efatra enina arivo taona teny aloha (4000 tal JK - 3800 tal JK) tamin' ny lafy ankavian' i Seine taloha eo amin' ny toerana misy ny arrondissement faha-12 ankehitriny. Nisy olona foana teo tamin' ny Neôlitika.

Efa hita fa efa nisy vohitra tany Bercy 2 400 taona tany aloha, misy lakana anaty ranom-potaka tamin' izany fotoana izany, ary azo jereina any amin' ny Musée Carnavelet any Parisy.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.