Bizantioma
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Bizantioma na Bizantiona na Bizansa na Bizantio dia tanàna grika tamin' ny Andro Taloha tao Traka, teo amin' ny moron' i Bôsfôrôsy (na Bôsfôro) amin' ny ilany ao Eorôpa, ao amin' ny misy an' i Istanbul ankehitriny, izay niandoha tamin' ny fanorenam-ponenan' ny mpila ravinahitra grika tamin' ny taona 660 tal. J.K.
Nanana seranan-tsambo niroborobo i Bizantioma teo amin' ny fihaonan' ny Ranomasina Mainty amin' ny Ranomasina Mediteranea sady nisokatra amin’ ny faritra mandroso. Izany no nahatonga an' i Bizantioma ho lasa seranan-tsambo sy renivohitry ny varotra varimbazaha sy ny voamadinika hafa.