Varimbazaha
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny varimbazaha dia zavamaniry mitovitovy amin'ny vary, izay volena hohanin' ny olombelona sy ny biby hatry ny vanimpotoana talohan' ny tantara, ka ny mponina any amin' ny faritra manana toetany antonony no tena namboly azy tamin' izany. Ny varimbazaha dia zavamaniry maniry isan-taona. Mirefy 1,2 m ny haavony. Mitovy amin' ny ravim-bary ny raviny izay mipoitra voalohany, mipoitra manaraka izany ireo taho lava mitondra ny voniny ho lasa voany. Ny voniny dia ahitana lahimbony sy vavimbony ka afaka mamoaka voa tsy mila fandraisana anjaran' ny bibikely mpamindra vovobony. Ny voany tsirairay dia milanja eo anelanelan' ny 35 sy 50 mg.