From Wikipedia, the free encyclopedia
Istanbul (amin'ny fiteny tiorka: İstanbul) dia renivohitra ara-toe-karen' i Torkia izay eo amin'ny lafy eorôpeanin' i Torkia. Istanbul no tanàna eorôpeanina lehibe indrindra amin' ny lafiny isa-mponina ary tanàna fahatelo lehibe indrindra amin' ny lafin' ny velarantany. Io tanàna io no renivohitry ny Empira Ôtômana hatramin' ny taona 1923. Ny anarana nentin' io tanàna io tamin' ny Andro Taloha dia na Bizantioma (latina: Byzantium) na Kônstantinôpla na Kônstantinôpôlisy (grika: Κωνσταντινούπολις / Konstantinoúpolis).
Amin' ny maha seranana an-dranomasina azy dia ivon-toeram-pifanakalozan' i Torkia i Istanbul.
Tany amin' ny taona 660 tal. J.K. no namoronana ny tanànan' i Bizantioma. Ny tanàna fantatra amin' ny anarana hoe Istanbul ankehitriny dia anisan' ny tanàna manan-danja indrindra amin' ny tantaran' i Eorôpa. Nandritra ny 1600 taona nananganana azy ho Kônstantinôpla nanomboka tamin' ny taona 330, dia renivohitry ny Empira Rômana ary ny Empira Bizantina ary ny Empira Ôtômana ilay tanàna.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.