Ozia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Ozia na Oziasa izay atao hoe koa Azaria na Azariasa dia mpanjakan' i Jodà, zanak' i Amazia (na Amaziasa) tamin' i Jekôlia, izay nanjaka nandritra ny 52 taona teo antenantenan' ny taonjato faha-8 tal. J.K. Ao amin' ny Baiboly dia voalaza fa mpitari-tafika sady mpanjaka nampiroborobo ny fanorenana izy sady nampandroso koa ny fambolena talohan' ny nahazoan' ny aretina habokana azy. Nitovitovy vaninandro iainana tamin' ny mpaminany Isaia (na Izaia) sy Hôsea (na Ôsea) ary i Amôsa (na Amôsy) izy.