From Wikipedia, the free encyclopedia
I Isaia na Izaia dia mpaminany israelita niaina tokony ho tamin’ ny taonjato faha-8 tal. J.K. teo anelanelan' ny taona 766 sy 701 tal.J.K. Zanak' i Amôsa, izay fianakaviana ambony tao Jerosalema, izy. Mponin' i Jerosalema i Isaia. Niasa tamin' ny antsasany faharoan' ny taonjato faha-8 tal. J.K. izy, tamin' ny fotoana nanombohan' ny Asiriana nanafika matetika miankandrefana, fanafihana izay namaritra ny hoavin' ny fanjakan' i Israely sy ny an' i Jodà. Teo anelanelan' ny taona 740 sy 700 tal. J.K. izany, indrindra fa tamin’ ny nanjakan' i Ahaza (mpanjakan’ i Jodà) tokony ho tamin’ ny taona 735 tal. J.K. sy ny zanany nandimby azy ary tamin' ny andron’ ny mpanjaka Hezekia (na Ezekiasa) tokony ho teo anelanelan' ny taona 715 sy 710.
Isaia | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Isaia | ||
Teraka | 766 tal. J.K. | ||
Maty | 701 tal. J.K. | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Asa : | mpaminany | ||
Fiainana manokana | |||
Atao hoe יְשַׁעְיָהוּ / Yeshayahu i Isaia amin' ny teny hebreo ka midika hoe "Mamonjy i Yahu" izany hoe "Mamomjy i Iahveh".
Araka ny lovantsofina dia i Isaia no nanoratra ny Bokin' i Isaia (izay miresaka ny amin' ny fitondrana ho babo ny Jiosy any Babilôna sy ny fiverenan' izy ireo any Jerosalema indray ary ny fanamboarana indray ny Tempolin' i Jerosalema araka ny baikon' ny mpanjaka akemenida atao hoe Kirosy II), nefa rehefa nodinihin' ny mpikaroka momba ny Baiboly dia ny ampahany atao hoe Prôtô-Isaia ("Isaia voalohany") ihany no mety nosoratany, dia ny toko voalohany hatramin' ny faha-39. Ny ampahan' io boky io sisa dia mbola mizara roa ka atao hoe Deoterô-Isaia sy Tritô-Isaia ("Isaia faharoa" sy "Isaia fahatelo").
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.