Antiokosy II Teosy
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Antiokosy II Teosy dia mpanjaka seleokida fahatelo izay nanapaka tamin'ny taona 261 hatramin'ny 246 tal. J.K. Izy no nandimby an'i Antiokosy I Sotera rainy.
Teraka tamin'ny taona 287 ary maty tamin'ny taona 246 tal. J.K. izy. I Stratonike I no reniny. I Laodike I sy i Berenike Sira zanaky ny farao Ptolemeosy II Filadelfosy no vadiny. Niteraka an'i Seleokosy II sy i Antiokosy Hieraksa ary i Laodike A izy.
Niantso azy hoe Θέος / Theos, izay midika hoe "Andriamanitra", ny mponin'i Miletosy[1] taorian'ny nanafahany azy ireo tamin'ilay mpanjaka jadona atao hoe Timarkosy tamin'ny taona 258 tal. J.K.
Rehefa niady tamin'ny farao Ptolemeosy II Filadelfosy, mpanjakan'i Egipta, nandritra ny dimy taona (260-255 tal. J.K.) izy dia azony ny ankabeazan'ny tanin-drainy lasan'ny farao tany aloha. Tamin'ny taona 250 tal. J.K. izy dia niady tamin'ny governorany (satrapa) iray tao hoe Diodotosy I Sotera (mpanjaka tamin'ny taona 256 - 235 tal. J.K.), izay nandrombaka ny faritany sirianan'i Baktria (na Baktriana)[2]. Taorian'izay dia lasan'ny fahavalony koa ny faritanin'i Partia[3].
Tamin'ny taona 246 tal. J.K. tany Efesosy[4] i Antiokosy II no maty ka ny lahimatoany Seleokosy II no nandimby azy.