Antiokosy I Sotera
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Antiokosy I Sotera dia mpanjakan'i Siria tamin'ny taona 280 tal. J.K. hatramin'ny taona 262/261 tal. J.K. Izy no mpanjaka seleokida faharoa, zanak'i Seleokosy I Nikatora, ilay jeneraly nandimby an'i Aleksandra Lehibe.
Teraka tamin'ny taona 324 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 261 tal.J.K. I Apama no reniny. Nambady ny vady navelan-drany izy, dia i Stratonike I, ka niteraka an'i Antiokosy II Teosy sy i Stratonike II.
Niady tamin'ny Galata (na Galatiana)[1] tao Azia Minora izy tamin'ny taona 277 tal. J.K. ka nandresy azy ireo, nefa navelany hofehezin'i Ptolemeosy II, faraon'i Egipta, ny ampahany be amin'ny tany azony. Maty tamin'ny ady nifanaovany tamin'i Eomenio I, mpanjakan'ny Pergamona (na Pergama) [2] any Azia Minora, izy. Izany ady izany dia niseho tamin'ny taona 263 hatramin'ny 261 tal. J.K. Tamin'ny fahafatesany dia i Antiokosy II no nandimby azy teo amin'ny fanjakana.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.