From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny andriamanitra mpamorona (matetika antsoina hoe Mpamorona) dia andriamanitra tompon' andraikitra amin' ny famoronana ny Tany sy izao tontolo izao ary izao rehetra izao araka ny fivavahana sy ny fedrà. Ao amin' ny mônôteisma, ilay Andriamanitra tokana no matetika ihany koa no mpamorona. Ny finoana mônôlatrika maromaro dia manasaraka ny mpamorona faharoa amin' ny zanahary mihoa-draha (ambony indrindra), izay mpamorona voalohany.
Nosantarin' ny faraôna Akenatôna sy ny mpanjakavavy Nefertity tany amin' ny taona 1330 tal. J.K., nandritra ny vanim-potoanan' ny Fanjakana Vaovao teo amin' ny tantaran' ny Ejipsiana fahiny. Nanorina renivohitra vaovao tanteraka (Akhetaton) ho an' ny tenany sy ny mpivavaka amin' ilay hany andriamanitra namorona azy tany an-tany efitra izy ireo. Nivavaka tamin' i Atôna na Atena niaraka tamin' ny andriamani-kafa maro tao amin' ny fivavahan' izy ireo ny rainy. I Atôna, ela be talohan' ny andron-drainy, dia nohajaina ho andriamanitra teo anivon' ireo andriamanitra sy andriamanibavy maro tany Ejipta. Nanjavona ny atônisma taorian' ny nahafatesan' ilay faraôna. Na dia eo aza ny fomba fijery samihafa, ny Atônisma dia heverin' ny manam-pahaizana sasany ho anisan' ny sisin-tanin' ny mônôteisma teo amin' ny tantaran' ny olombelona.
Ny fitantarana momba ny famoronana ao amin' ny Genesisy dia fedrà momba ny famoronana ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma. Ny fitantarana dia ahitana tantara roa, mitovitovy amin' ireo toko roa voalohany amin' ny Bokin' ny Genesisy. Tamin' ny voalohany, Elohim (ny teny hebreo midika hoe "Andriamanitra") dia namorona ny lanitra sy ny tany, ny biby ary ny olombelona, tao anatin' ny enina andro, avy eo nitsahatra, nitso-drano sy nanamasina ny andro fahafito (izany hoe ny Sabata ara-Baiboly). Ao amin' ny tantara faharoa, Andriamanitra, izay antsoina ankehitriny hoe Yahweh, dia namorona an' i Adama, ilay lehilahy voalohany, avy tamin' ny vovoka ary nametraka azy tao amin' ny saha Edena, izay nanomezana azy ny fanapahana ny biby. I Eva, ilay vehivavy voalohany, dia noforonina avy tamin' i Adama sy ho namany.
Izy io dia manazava ny foto-kevitra mifanitsy amin' ireo ao amin' ny fedrà mesôpôtamiana, izay manantitrantitra ny finoan' ny Israelita an' Andriamanitra tokana. Ny drafi-panoratana lehibe voalohany amin' ny Pentateoka (ny andian-boky dimy izay manomboka amin' ny Genesisy ary mifarana amin' ny Deoterônômia) dia noforonina tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-7 na faha-6 tal. J.K.(loharanon' ny Iahvista) ary naitatry ny mpanoratra hafa (loharanon' ny Mpisorona) tatỳ aoriana, ho lasa asa mitovy amin' ny Genesisy araka ny ahafantarana azy ankehitriny. Ireo loharano roa ireo dia azo fantarina ao amin' ny fitantarana momba ny famoronana: Mpisorona sy Iahvista. Ny fitantarana mitambatra dia fanakianana ny teôlôjia mesôpôtamiana momba ny famoronana: manamafy ny mônôteisma ny Genesisy ary mandà ny pôliteisma. I Robert Alter dia nanoritsoritra ny fitambarana fitantarana ho "maharesy lahatra amin' ny toetrany modely voalohany, ny fampifanarahana ny fedrà amin' ny fikendrena mônôteista".
Ny fitantarana abrahamika momba ny famoronana dia ahitana tantara roa, mitovitovy amin' ireo toko roa voalohany ao amin' ny Bokin' ny Genesisy. Ny fitantarana voalohany (1:1 ka hatramin' ny 2:3) dia mampiasa firafitry ny fiat sy ny fahatanterahan' Andriamanitra miverimberina, avy eo ilay filazana hoe "Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro [faha-x]", ho an' ny tsirairay amin' ireo andro famoronana enina. Isaky ny telo andro voalohany dia misy fanasarahana: ny andro voalohany mampisaraka ny haizina amin' ny mazava, ny andro faharoa ny "rano ambony" amin' ny "rano ambany", ary ny andro fahatelo ny ranomasina amin' ny tany. Isaky ny telo andro manaraka dia misy mponina ireto fizarana ireto: ny andro fahefatra dia mameno ny haizina sy ny mazava amin' ny masoandro sy ny volana ary ny kintana; ny andro fahadimy dia mameno ny ranomasina sy ny lanitra amin' ny trondro sy ny vorona; ary farany, ny zavaboary ety an-tany sy ny olombelona no mameno ny tany.
Ny voalohany (ny fitantaran' ny Mpisorona) dia nifantoka tamin' ny drafitry ny famoronana kôsmika, fa ny faharoa kosa (ny fitantaran' ny Iahvista) dia mifantoka amin' ny olombelona amin' ny maha-mpamboly ny tontolo iainany sy amin' ny maha-mpanao mitondra tena azy. Ny fitantarana faharoa, mifanohitra amin' ny drafitra fito andro voarindra ao amin' ny Genesisy 1, dia mampiasa fomba fitantarana tsotra mikoriana izay miainga amin' ny namoronan' Andriamanitra ny lehilahy voalohany tao amin' ny saha Edena ka hatramin' ny namoronana ny vehivavy voalohany sy ny fanorenana ny fanambadiana. Mifanohitra amin' ilay Andriamanitra mahery indrindra ao amin' ny Genesisy 1 izay namorona olombelona tahaka an' Andriamanitra, ny Andriamanitry ny Genesisy 2 dia mety tsy hahomby sy hahomby. Tsy mitovy amin' Andriamanitra ny olombelona noforoniny, fa voasazy noho ny asa izay hahatonga azy ireo ho tahaka an' Andriamanitra (Genesisy 3:1-24) ary tsy mitovy ny filaharana sy ny fomba famoronana. "Ity fitambarana toetra mifanitsy sy mombamomba mifanipaka ity dia manondro ny niandohan' ny zavatra samy hafa nampiasaina ao amin' ny Genesisy 1:1 sy Genesisy 2:4, na dia tsara tarehy toy inona aza ny fitambaran' izy ireo ankehitriny."
Ny fanambarana voalohany ny filôzôfia grika tamin' ireo fitantarana ao amin' ny Baiboly hebreo dia avy tamin' i Filôna any Aleksandria (tokony tamn' ny taona 50 taor. J.K.), nanoratra tao amin' ny zava-misy manodidina ny jodaisma helenistika. Nampitovin' i Filôna amin' ilay mpanetsika tsy mihetsik' i Aristôty ilay andriamanitra mpamorona hebreo atao hoe Yahweh mba hanaporofoana fa ny Jiosy dia nanana fomba fijery mônôteista na dia talohan' ny Grika aza.
Nasehon' i Tômasy avy any Akoino ny hevitra teôrika mitovy amin' izany, izay nampifandray ny filôzôfia aristôtelianina tamin' ny finoana kristiana, narahin' ny filazana fa Andriamanitra no Voalohany, Mpanetsika Voalohany, ary Asa Madiodio.
Ny boky deôterôkanônikan' i Makabeo faharoa dia misy andalan-teny roa mianan-danja. Ao amin' ny toko faha-7, dia mihatery momba ny renin' ny Jiosy iray maty maritiora nilaza tamin’ ny zanany hoe: "Miangavy anao aho, anaka, mba jereo ny lanitra sy ny tany mbamin' izay rehetra ao aminy; ary hevero fa avy tamin' ny tsy misy no nanaovan' Andriamanitra azy, ary ny olombelona koa"; ao amin' ny toko 1, izy io dia miresaka vavaka manetriketrika nataon' i Jônatana sy Nehemia ary ny mpisoron' i Isiraely, raha nanao sorona ho fanomezam-boninahitra an' Andriamanitra: "Tompo ô, Tompo Andriamanitra, Mpamorona ny zavatra rehetra, izay mahatahotra sy mahery sy marina sy mamindra fo ary mpanjaka tokana sady tsara fanahy. Ny Sasin-tenin' ny Filazantsaran' i Joany dia manomboka amin' ny hoe: "Tamin' ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin' Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra./ 2 Izy dia tao amin' Andriamanitra tamin' ny voalohany. ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao."
Ny kristianisma dia manamafy ny famoronan' Andriamanitra hatramin' ny voalohany ao amin' ny fanekem-pinoana apôstôlika ("Izaho mino an' Andriamanitra, Ray Tsitoha, nahary ny lanitra sy ny tany.", taonjato voalohany taor. J.K.), izay mifanitsy amin' ny fanekem-pinoana nikeana (taonjato faha-4 taor. J.K.).
Amin' izao fotoana izao, ny teôlôjiana dia miady hevitra raha ny Baiboly mihitsy no mampianatra raha toa ka zavaboary ex nihilo io zavaboarin' Andriamanitra io. Ireo mpanao heviteny mahazatra dia milaza fa izany no hevitry ny Genesisy 1:1 , izay adika matetika hoe: "Tamin' ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany". Na izany aza, ny mpanao heviteny hafa dia manao ny famoronana ex nihilo ho fivoarana ara-teôlôjia tamin' ny taonjato faha-2. Araka io fomba fijery io, ny rain' ny fiangonana dia nanohitra ny hevitra niseho tao amin’ ny fedrà momba ny famoronana talohan' ny andro kristianina sy tao amin' ny gnôstisisma — hevitra momba ny famoronana amin' ny alàlan' ny demiorga avy amin' ny toetry ny zavatra voalohany (fantatra amin' ny fianarana momba ny fivavahana hoe chaos "korontana" araka ny teny grika nampiasain' i Hesiôdôsy tao amin' ny Θεογονία / Theogonía nosoratany). Ireo mpandinika jiosy no nandray ilay hevitra, izay nanjary zava-dehibe tamin' ny jodaisma.
Araka ny finoana silamo, ilay andriamanitra mpamorona, Andriamanitra, fantatra amin' ny teny arabo hoe Allah, no mpamorona, mpanohana, mpandrindra ary mpitsara an' izao rehetra izao, ary mahafantatra ny zava-drehetra. Ny famoronana dia heverina ho toy ny safidin' Andriamanitra sy ny famindram-pony, izay manana tanjona lehibe: "Ary tsy namorona ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo anelanelany ho toy ny fialam-boly izahay.” (21.16) Fa ny tanjon' ny olombelona kosa dia hosedraina: "Ilay nampisy ny fahafatesana sy nampisy ny aina mba hisedrany anareo – iza aminareo no mendrika eo amin' ny fitondrantenanareo; ary Izy no Mahefa ny zava-drehetra sady tena Mpamela heloka". (67.2) Izay afaka amin' ny fizahan-toetra dia mahazo valisoa amin' ny Paradisa: "Raha ny marina dia misy fandresena ho an’ ireo olo-marina." (78.31).
Araka ny fampianarana silamo dia misy Andriamanitra ambonin' ny lanitra sy ny zavaboary mihitsy. Ny Kor'any dia milaza hoe: "Izy no nahary izay rehetra ety an-tany mba ho anareo; ary nitodika tamin' ny lanitra Izy. Nandavorary izany izy raha nandrafitra azy ho lanitra fito ary mahalala ny zava-drehetra Izy." (2.29) Amin' izao fotoana izao, Andriamanitra dia tsy mitovy amin' ny zavaboary rehetra: "Tsy misy toa Azy mihitsy; ary Izy Ilay Mandre ny Zava-drehetra sady Mahita ny Zava-drehetra." (42.11) ary tsy misy olona afaka mahafantatra an' Andriamanitra amin' ny fitambarany: "Tsy misy fijery mahatakatra Azy fa mahatakatra ny fijery rehetra kosa Izy. Izy no Ilay saro-pantarina, mahalala ny zavatra rehetra". (6.103) Andriamanitra ao amin' ny finoana silamo dia tsy hoe be voninahitra sy manam-pahefana fotsiny, fa Andriamanitra persôna ihany koa: "Ary marina tokoa fa nahary ny olombelona Izahay, ary mahafantatra izay bitsihan’ ny fanahiny aminy Izahay, ary akaiky azy kokoa noho ny hoza-tendany Izahay." (50.16)
Nandidy ny mpino i Allah mba hahatsiaro Azy tsy tapaka ("E ianareo izay mino, mahatsiarova mandrakariva an’ i Allah". (33.41)) ary hiantso Azy irery ihany ("Ary izay manandratra andriamanitra hafa miaraka amin’ i Allah, izay tsy ananany porofo ny maha andriamanitra azy, dia hadinin’ ny Tompony amin’ izany. Tsy azo lavina fa tsy hahazo fiadanana na oviana na oviana ireo tsy mpino." (23.117)).
Ny finoana silamo dia mampianatra fa Andriamanitra araka ny voalaza ao amin' ny Ny Kor'any no hany andriamanitra ary Andriamanitra iray ihany no ivavahan' ny mpino ao amin' ny fivavahana abrahamika hafa toy ny kristianisma sy jodaisma.
Ny iray amin' ireo andraikitra lehibe indrindra amin' ny finoan' ny sikisma dia ny manompo an' Andriamanitra amin' ny maha "Mpamorona", antsoina hoe Waheguru, azy, izay tsy misy endrika, tsy manam-potoana ary tsy mahita maso, izany hoe, Nirankar sy Akal, ary Alakh Niranjan. Io fivavahana io dia tsy mandray afa-tsy ny finoana "Andriamanitra iray ho an' ny rehetra" na Ik Onkar.
Ao amin' ny finoana bahay, Andriamanitra dia ilay tsy mety lo, tsy noforonina izay loharanon' ny fisiana rehetra. Izy dia voalaza fa "Andriamanitra persôna, tsy fantatra, tsy azo idirana, loharanon' ny Fanambaràna rehetra, mandrakizay, mahalala ny zava-drehetra, manatrika amin' ny toerana rehetra ary ny tsitoha". Na dia mihoa-draha sy tsy azo idirana mivantana aza dia hita taratra amin' ny zavaboariny ny sariny. Ny tanjon' ny famoronana dia ny hananan' ny voary ny fahaizany mahafantatra sy mitia ny namorona azy.
Ao amin' ny mandeisma, i Hayyi Rabbi ("Fiainana Lehibe"), na "Ilay Andriamanitra Velona Lehibe", no Andriamanitra faratampony izay nipoiran' ny zava-drehetra. Antsoina koa hoe "Ny Fiainana Voalohany" izy, satria nandritra ny famoronana izao tontolo izao dia nipoitra avy amin' i Hayyi Rabbi ho "Fiainana Faharoa" i Yushamin. Andriamanitra, Hayyi Rabbi, izay an' ny fananana tanteraka rehetra; Izy no nahary ny tontolo rehetra, namorona ny fanahy tamin' ny heriny, ary nametraka izany tamin' ny alalan' ny anjely tao amin' ny vatan' olombelona. Noho izany dia namorona an' i Adama sy Eva, lehilahy sy vehivavy voalohany.“ Ny Mandaeana dia manaiky an’ Andriamanitra ho mandrakizay, Mpamorona ny rehetra, tokana sady tokana amin' ny fanapahana tsy misy mpiara-miasa.
Ny mônôlatria dia mampisaraka ny mpamorona faharoa amin' ny andriamanitra mihoa-draha voalohany, izay mpamorona voalohany. Araka ny voalazan' i Gaudiya Vaishnavas dia i Brahma no mpamorona faharoa fa tsy ilay fara tampony. I Vishnu no mpamorona voalohany. Araka ny visnoisma dia namorona ny akorandriaka manjiaby i Vishnu ary manome ny akora rehetra ary mametraka ny zavamananaina ao anatin' ny tontolo materialy, manatanteraka ny sitrapony manokana. Miara-miasa amin' ireo fitaovana nomen' i Vishnu i Brahma mba hamoronana izay heverina ho planeta amin' ny fomba fiteny poranika, ary izy no manara-maso ny mponina ao aminy.
Ny mônisma no filôzôfia manamafy ny maha-iray ho fanambaràna fototra, ary mifanohitra amin' ny foto-kevitra ara-pinoana mifototra amin' ny doalisma izay ilazana fa misy Andriamanitra mpamorona izay mandrakizay sy misaraka amin' ny fisiana sisa. Misy karazany roa ny mônisma, dia ny mônisma ara-panahy izay milaza fa iray ihany ny zava-misy ara-panahy rehetra, ary ny mônisma ara-materialy izay milaza fa ny zava-drehetra ao anatin' izany ny zava-misy ara-materialy rehetra dia zavatra iray ihany.
Ny bodisma dia mandà ny andriamanitra mpamorona ary ny mihevitra fa mpamorona ireo andriamanitra toa an' i Mahabrahma dia diso fiheverana.
Tsy manohana ny finoana andriamanitra mpamorona ny jainisma. Araka ny fampianarana jaina, izao rehetra izao sy ny singa ao aminy - ny fanahy, ny zavatra, ny habaka, ny fotoana ary ny fitsipiky ny fihetsehana dia efa nisy hatrizay (tontolo tsy mihetsika mitovy amin' ny an' ny epikorisma sy ny môdely kôsmôlôjikan' ny toetra tsy mihetsika). Voafehin' ny lalàna natoraly an' ny zava-drehetra ny singa sy ny asa rehetra. Tsy azo atao ny mamorona zavatra avy amin' ny tsy misy ary noho izany dia tsy miova ny fitambaran' ny zavatra eto amin' izao rehetra izao (mitovy amin' ny lalàna momba ny fitehirizana ny lanja). Toy izany koa, ny fanahin' ny zavamananaina tsirairay dia miavaka sy tsy noforonina ary efa nisy hatramin' ny fotoana tsy manam-piandohana.
Ny teôria jaina momba ny ntony sy ny vokany dia milaza fa ny antony sy ny vokatr' izany dia mitovy foana amin' ny natiora ary noho izany dia tsy afaka mamorona singa ara-materialy toa an' izao rehetra izao ny zavatra misaina sy tsy manam-batana azo tsapain-tanana toa an' Andriamanitra. Fanampin' izany, araka ny hevitry ny Jaina momba ny andriamanitra, ny fanahy rehetra izay manimba ny karma sy ny faniriany dia mahazo fanafahana. Ny fanahy izay manimba ny firehetam-pony sy ny faniriany rehetra dia tsy manana faniriana hitsabaka amin' ny fiasan' izao rehetra izao. Ny valisoa ara-môraly sy ny fijaliana dia tsy asan' Andriamanitra, fa vokatry ny lamina ara-môraly natoraly ao amin' izao rehetra izao; fa rafitra mifehy tena izay ahafahan' ny olona mijinja ny vokatry ny asany amin' ny alàlan' ny fiasan' ny karma.
Nandritra ny taona maro, ireo filôzôfa jaina dia nandà sy nanohitra mafy ny foto-kevitry ny mpamorona sy ny andriamanitra mahery indrindra ary izany no nahatonga ny jainisma nomena anarana hoe nāstika darsana na filôzôfia tsy mino andriamanitra nataon' ireo filôzôfia ara-pivavahana mpifaninana. Ny lohahevitry ny tsy famoronana sy ny tsy fisian' Andriamanitra mahery indrindra sy ny fahasoavan' Andriamanitra dia mihazakazaka mafy amin' ny lafiny filôzôfika rehetra amin' ny jainisma, anisan' izany ny kôsmôlôjia, ny karma, môksa ary ny fitsipi-pitondrantena ara-môraly. Manamafy ny jainisma fa azo atao ny fiainana ara-pivavahana sy tsara raha tsy misy ny hevitra hoe Andriamanitra mpamorona.
Ao amin' ny famoronana araka ny finoana pôliteista, ny tontolo dia matetika teraka amin' ny fomba ôrganika, ohatra. Mitsimoka avy amin' ny voa voalohany, amin' ny alalan' ny taovam-pananahana, amin' ny fahaterahana mahagaga (indraindray amin' ny tsy misy lahy), amin' ny fanambadiana masina (eo amin' ireo andriamnitra), an-kerisetra amin' ny famonoana biby goavam-be iray; na namboarina amin' ny alalan' ny demiorga na "mpanao asa tanana". Indraindray dia misy andriamanitra iray mandray anjara amin' ny famoronana, na amin' ny heviny na tsy nahy.
I Platôna, tao amin' ny dinidinika nataony ao amin' ny Τίμαιος / Timaios, dia manoritsoritra angano momba ny famoronana misy olona iray antsoina hoe demiorga (δημιουργός / dêmiourgos "mpanao asa tanana"). Ny neôplatônisma sy ny gnôstisisma dia nanohy sy namolavola io hevitra io. Ao amin' ny neôplatônisma, ny demiorga dia maneho ny antony faharoa na diada, aorian' ny mônada. Ao amin' ny doalisma gnôstika, ny demiorga dia fanahy tsy lavorary ary mety ho zava-dratsy, nihoatra ny fahafenoan' Andriamanitra (Plerôma). Tsy toa an' ilay Andriamanitra abrahamika ny demiorgan' Platôna, izay tsy afaka namorona avy amin' ny tsy misy (ex-nihilo).
Ny hindoisma dia rafitra fisainana isan-karazany miaraka amin' ny finoana miompana amin'ny mônôteisma, ny pôliteisma, ny panenteisma, ny panteisma, ny pandeisma, ny mônisma, ary ny ateisma, ankoatra ny hafa; ary ny foto-kevitra momba ny andriamanitra mpamorona dia sarotra ary miankina amin'ny tsirairay. ary nanaraka ny fomban-drazana sy ny filôzôfia. Indraindray ny hindoisma dia lazaina fa henôteista (izany hoe, mifikitra amin' ny fanoloran-tena amin' ny andriamanitra tokana nefa manaiky ny fisian' ny andriamanitra hafa), fa ny teny toy izany dia fanaovana bamba iray tafahoatra.
Ny Nasadiya Sukta (Hiram-pamoronana) an' ny Rig Veda dia iray amin'ireo lahatsoratra voalohany indrindra izay "mampiseho ny fiheverana ny fanombantombanana metafizika" momba ny namorona izao rehetra izao, ny foto-kevitra ny amin' ny andriamanitra sy Ny Iray, ary na dia Ny Iray aza mahagantatra ny fomba nipoiran'izao rehetra izao. Ny Rig Veda dia midera andriamanitra isan-karazany, tsy misy ambony na ambany, amin' ny fomba henôteista. Ilay hira dia miverimberina miresaka momba ny Fahamarinana iray sy ny Zava-misy. Ny "Fahamarinana iray" amin' ny literatiora vedika, ao amin' ny fahalalana amin' ny vanim-potoana môderina, dia nadika ho mônôteisma na mônisma na koa Fitsipika Miafina zary andriamanitra ao ambadiky ny zava-mitranga sy ny fizotran' ny zavaboary.
Ny lahatsoratra ao amin' ny hindoisma taorian' ny vanoimpotoana vedika dia manolotra teôria maro momba ny kôsmôgônia, izay misy an' i Brahma. Anisan' izany ny Sarga (famoronana voalohany an' izao rehetra izao) sy Visarga (famoronana faharoa), hevitra mifandraika amin' ny fiheveran' ny Indiana fa misy ambaratonga roa ny zava-misy, ny voalohany tsy miova (metafizika) ary ny faharoa hafa izay miova foana (empirika), ary fa ny zava-misy rehetra hita amin' ity farany ity dia ao anatin' ny tsingerin' ny fisiana miverimberina tsy misy fiafarana, fa izao rehetra izao (kôsmôsy) sy ny fiainana iainantsika dia foronina tsy an-kijanona, mivoatra, levona ary avy eo dia foronina indray. Ny mpamorona voalohany dia resahina betsaka ao amin' ny kôsmôgônia vedika miaraka amin' i Brahman na Purusha na Devi ao anatin' ireo teny ampiasaina amin' ny mpamorona voalohany, raha ny lahatsoratra vedika sy taorian' ny vedika dia manonona andriamanitra sy andriamanibavy samihafa ho mpamorona faharoa (matetika i Brahma amin' ny lahatsoratra taorian' ny Veda), ary indraindray dia andriamanitra na andriamanibavy hafa no mpamorona faharoa eo am-piandohan' ny tsingerina kôsmika tsirairay (kalpa).
I Brahma dia "mpamorona faharoa" araka ny voalaza ao amin' ny Mahabharata sy Purana, ary anisan' ny be fianarana sy nofaritana indrindra. Teraka avy amin' ny lotus mipoitra avy ao amin' ny foitran' i Vishnu, i Brahma no mamorona ny endriny rehetra eo amin' izao rehetra izao, fa tsy ny tontolo voalohany akory. Mifanohitra amin' izany kosa, ny Purana mifantoka amin' ny Shiva dia mamaritra an' i Brahma sy Vishnu ho noforonin' i Ardhanarishvara, izany hoe ny antsasak' i Shiva sy ny antsasak' i Parvati; na raha tsy izany, i Brahma dia teraka avy amin' i Rudra, na Vishnu, Shiva ary Brahma izay samy namorona tsingerina (kalpa) samy hafa. Araka izany, ao amin' ny ankamaroan' ny lahatsoratra poranika, ny asan' i Brahma dia miankina amin' ny fisiana sy ny herin' ny andriamanitra ambony.
Amin' ny fomba fgiteny hafa momba ny famoronana, ny andriamanitra mpamorona dia ilay mitovy amin' i Brahman, ilay zava-misy metafizika amin' ny hindoisma. Ao amin' ny vaisnavisma, namorona an' i Brahma i Vishnu ary nandidy azy handidy ny sisa amin' izao rehetra izao. Ao amin' ny saivisma, i Shiva dia azo raisina ho toy ny mpamorona. Ao amin' ny saktisma, ny andriamanibavy lehibe dia namorona ny Trimurti (trinite hindo).
Azo adika ho andriamanitra mpamorona iray hafa i Pangu. Tamin' ny voalohany dia tsy nisy na inona na inona teto amin' izao tontolo izao afa-tsy korontana tsy misy endrika. Na izany aza dia nanomboka nitambatra ho atody kôsmika io korontana io nandritra ny valo arivo taona. Tao anatin' izany dia nanjary nandanjalanja ireo fitsipika mifanohitra tanteraka amin' ny Yin sy Yang ary nipoitra (na nifoha) avy tao amin' ny atody i Pangu. Mazàna no aseho ho toy ny goavan' olon-tsotra sy volom-biby misy tandroka eo amin' ny lohany i Pangu (tahaka an' i Pan grika) ary mitafy volom-borona. Nametraka ny asa famoronana izao tontolo izao i Pangu: nanasaraka ny Yin tamin'ny Yang tamin' ny famaky goavam-beny izy, namorona ny Tany (Yin manjavozavo) sy ny lanitra (Yang mazava). Mba hampisaraka azy ireo dia nijoro teo anelanelan' izy ireo i Pangu ary nanosika ny Lanitra. Naharitra valo arivo taona io asa io, ka isan' andro dia nitombo folo faladia ny lanitra, folo faladia ny sakany, ary folo faladia ny haavon' i Pangu. Amin' ny firesahana sasany amin' ny tantara, i Pangu dia manampy amin' ity asa ity ny biby efatra malaza indrindra, dia ny Sokatra, ny Kilîna, ny Feniksa, ary ny Dragona.
Rehefa tapitra ny valo arivo arivo taona, dia nalevina i Pangu. Ny fofonainy dia tonga rivotra; ny feony ny kotrokorana; maso havia ny masoandro ary maso havanana ny volana; lasa tendrombohitra sy faran’izao tontolo izao ny vatany; ny rany dia niteraka ony; ny hozany ny tany lonaka; ny volon-tavany ny kintana sy Lalan-dronono; ny kirihitra sy ny ala ny volony; ny taolany ny mineraly sarobidy; diamondra masina ny tsokany; nilatsaka toy ny orana ny hatsembohany; ary ny parasy teo amin’ ny volony entin’ ny rivotra dia tonga olombelona eran-tany.
Ny mpanoratra voalohany nandrakitra ny angano momba an' i Pangu dia i Xu Zheng nandritra ny vanim-potoanan' ny Fanjakana Telo.
I Shangdi dia andriamanitra mpamorona iray hafa, angamba talohan' i Pangu; mizara hevitra mitovy amin’ ny finoana abrahamika.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.