![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/43/Location_North_America.svg/langmg-640px-Location_North_America.svg.png&w=640&q=50)
Amerika Avaratra
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Amerika Avaratra dia zana-kaôntinanta, na kôntinanta iray, arakaraka ny fomba fijery. I Amerika Avaratra dia fikambanana firenena telo: i Etazonia sy i Kanada ary i Meksika, na dia sokajiana ao Amerika Afovoany aza i Meksika ao amin' ny bokin-jeôgrafia somary efa taloha.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/43/Location_North_America.svg/320px-Location_North_America.svg.png)
Ny Ranomasimbe Pasifika no mamaritra azy ao andrefana, ny Ranomasimbe Atlantika no ao atsinana ary ny Ranomasimbe Arktika no ao avaratra.
Mirefy 23,75 tapitrisa kilometatra toradroa ny velaran' i Amerika Avaratra; i Kanada no firenena ngeza indrindra raha ny velarany no heverina, avy eo i Etazonia (9,63 tapitrisa km²) sy i Meksika (1,97 tapitrisa km²). Miisa 443,36 tapitrisa ny isan' ny mponina ao aminy ka i Etazonia no be mponina indrindra (301 tapitrisa, manana hakitroka 31 mponina isaky ny km²) arahan' i Meksika (107 tapitrisa) sy i Kanada (31 tapitrisa).
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/99/North_America_satellite_globe.jpg/640px-North_America_satellite_globe.jpg)
Ny tanàna ngeza indrindra ao Amerika Avaratra dia i Mexico (ao Meksika), i New York (ao Etazonia), i Los Angeles (ao Etazonia) ary i Chicago (ao Etazonia).
Indreto ny fiteny miasa: ny fiteny anglisy (any Kanada sy any Etazonia) sy ny fiteny espaniola (any Meksika sy any amin' ny tapany atsimo amin' i Etazonia) ary ny fiteny frantsay (ao Québec, any atsinanan' i Kanada).