![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5f/Flag_of_Quebec.svg/langmg-640px-Flag_of_Quebec.svg.png&w=640&q=50)
Québec
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Quebec dia fizaràn-tany miteny frantsay any atsinanana amin' i Kanada. Ny renivohiny dia i Québec, kanefa i Montréal no metrôpôliny.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5f/Flag_of_Quebec.svg/640px-Flag_of_Quebec.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/ee/Coat_of_arms_of_Quebec.svg/320px-Coat_of_arms_of_Quebec.svg.png)
Voafaritry ny hoalan' i Ungava sy ny andilan'dranomsin' i Hudson i Quebec any avaratra, voafariry ny hoalan' i Hudson sy i Ontario any andrefana, ny faritany mizakatenan' i Maine, i New Hampshire, i Vermont sy i New York, ary voafaritr' i Nouveau Brunswick, i Terre-Neuve-et-Labrador sy ny hoalan' i Saint-Laurent any atsinanana. Miampita ny tanin' i Quebec ny renirano Saint-Laurent.
Ny isan' ny mponina any Quebec tamin' ny taona 2008 dia nisy 7 750 000, misy vondrona ara-kolontsaina sy ara-piteny maro any Quebec, misy vahoaka tompon-tany iraika ambin' ny folo izao miaina any Quebec. Ny fiteny ôfisialiny dia fiteny frantsay. Tamin' ny taona 2006, ny olona miteny frantsay any dia lasa 79,6 isan-jato. Kanefa 81,8 isan-jaton' ny olona no lazaina fa mampiasa ny fiteny frantsay any an-tranony. Talohan' izany dia manan-tanjona hampidina ny mpiteny frantsay ny politique d'assimilation linguistique ny Acte d'union natao tamin' ny taona 1840.