Agao (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Agao na Ageo dia vahoaka miteny amin' ny iray amin' ny fiteny agao (na ageo), izay ao amin' ny sampam-piteny kositika ao amin' ny fianakaviam-piteny afrô-aziatika, ary noho izany dia mifandray akaiky amin' ny vahoaka hafa miteny kositika. Taloha izy ireo dia hita maro tany amin' ny faritra avo ao amin' ny tapany avaratr' i Etiôpia ankehitriny, indrindra tany amin' ny faritra Amhara sy manodidina ny farihy Tana. Atao hoe አገው (vakina hoe agäw na agew) izy ireo amin' ny fiteny gezy.
Vondrona kely vitsivitsy ihany no miteny ny fiteny agao ankehitriny. Mpiteny maro no nandray ny fiteny amharika ary nisy vitsy no miteny amin' ny fiteny tigrinia, ka nanome azy ireo toetra kositika. Ireo fiteny ireo dia ao amin' ny vondrom-piteny kositika, samy ao amin' ny vondrom-piteny afrô-aziatika.
Sambany no voatonona tamin' ny fomba azo antoka ny vahoaka agea tao amin' ny sora-tsokitra tamin' ny taonjato faha-4 an' i Ezana mpanjaka aksomita. Nanjakazaka tamin' ireo fari-panapahan' andriana (prinsipaotea) na fanjakà-mpanaka kely tany ivelan' ny Empiran' i Etiôpia izy ireo hatramin' ny taonjato faha-17 no mankary. Tsy niray fivavahana na nisy firaisana ara-pôlitika mihitsy anefa ireo vahoaka miteny ny fiteny agao ireo.