Tetiandro litorjika kristiana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny taom-piangonana na tetiandro litorjika kristiana na kalandrie litorjika kristiana na taona litorjika dia tetiandro manondro ny daty raikitra na miovaova ankalazana ny fetim-piangonana na ahatsiarovana ny zava-dehibe niseho teo amin' ny tantaran' ny fivavahana kristiana ary ny daty ahatsiarovana ny olo-masina isan-karazany.
Avy amin' ny datin' ny Paska na Paka (izay miovaova) sy ny datin' ny Noely na Krismasy (izay tsy miova) no iaingan' ny fitsipika ahafahana mamantatra ny fotoana litorjika sy ny daty ankalazana ny fety litorjika hafa rehetra. Nivoatra ny tetiandro litorjika nandritra ny taonjato maro nisian' ny fivavahana kristiana ka niteraka fahasamihafana isam-piangonana izany (tetiandro litorjika katôlika, ôrtôdôksa, prôtestanta, sns.).
Ny firavoravoana sasany dia miseho amin' ny daty gregôriana raikitra tsy miova, isan' izany ny Noely, nefa ny sasany miovaova daty, tahaka ireo izay miankina amin' ny andro fankalazana ny Paska. Ireto avy ireo fety lehibe homety amin' ny taom-piangonana: ny Advento (na Fiaviana), ny Noely (na Krismasy), ny Epifania, ny Zoma masina, ny Paska (na Paka), ny Adro niakarana, ny Pentekôsta ary ny Trinite[1].
Misy loko litorjika manavaka azo ampifandraisina amin’ ny fizaràn-taona samihafa ao amin’ ny taona litorjika. Ny datin’ny fety dia miova kely eo amin’ ny fiangonana samihafa, na dia mitovy ihany amin’ ny ankapobeny ny fifanarakarahana sy ny anton’ izany.