Epifania
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Epifania dia fety kristiana ankalazana ny Mesia izay avy sy tonga nofo eto an-tany sady notsidihin' ny Magy. Amin' ny 6 Janoary no tokony hanatanterahana io fety io[1]. Ny Ôrtôdôksa dia mankalaza ny Epifania amin' ny 6 Janoary ary ny Katôlika amin' ny Alahady manakaiky an' izany[2]. Na any Andrefana na any Atsinanana, ny Epifania dia ahatsiarovana fahagagana nataon' i Jesoa tao Kanà araka ny Evanjelin' i Joany (Joa. 2.1-11) izay nanovany ny rano ho divay[2].
Ao amin' ny Fiangonana tandrefana dia ahatsiarovana ny fahatongavan' Andriamanitra ho nofo ao amin' ny maha olombelona an' i Jesoa ny Epifania, izay tandindomin' ny fahatongavan' ny Magy telolahy araka ny Evanjelin' i Matio (Mat. 2.1-12). Hatramin' ny taona 1971 dia azo ankalazaina amin' ny Alahady faharoa aorian' ny Noely (izany hoe ny Alahady voalohany manaraka ny 1 Janoary) ny Epifania ao amin' ny firenena tsy manao io 6 Janoary io ho andro tsy iasana[3]. Ao amin' ny Fiangonana tatsinanana dia ankalazana ny fanaovam-batisa an' i Jesoa ny Epifania ka mifanojo amin' ny fankalazana ny fahaterahan' i Jesoa[2].