From Wikipedia, the free encyclopedia
William of Ockham (izy antsoina amin' ny teny frantsay hoe Guillaume d'Ockham na Guillaume d'Occam) dia filôzôfy sy mpahay lôjika ary teôlôjiana anglisy, mizaka ny zom-pirenen' ny Fanjakana Mitambatra, teraka tamin' ny taona 1288 ary maty tamin' ny 9 Avrily 1347, tao amin' ny fikambanana fransiskana, izay azo heverina fa isan' ny sangany tao amin' ny sekoly skôlastika nôninallista , izay nifanandrina tamin' ny sekoly tômista sy skôtista.
William of Ockham | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | William of Ockham | ||
Teraka | 1 Janoary 1288 | ||
Maty | 1 Janoary 1347 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Fanjakana Mitambatra | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
Ny fampianarany dia nahiahin' ny fahefam-piangonana ho fampianaran-diso (herezia) satria maro amin' ireo fotokevitra ampianarin' ny teôlôjia nolovaina hatry ny ela no iverenany tsikeraina ary satria tsikerainy ny fihamboana ho afaka manaporofo ny fisian' Andriamanitra.
Notoheriny koa ny fototra anorenana ny fahefana ara-pôlitikan' ny papa ao amin' ireo asa sorany momba ny pôlitika, ka niombon-kevitra tamin' ny emperora Louis IV de Bavière izay niady tamin' ny papa. Hita taratra ao amin' ny filôzôfian' i Ockham ny tandindon' ny siansa môderna sy ny empirisma anglisy ary ny filôzôfia analitika, satria manantitra ny tokony hiaingana amin' ny zava-misy marina azo tsapain-tanana sy amin' ny karazana fanjohian-kevitra ampiasaina ao amin' ny lahateny manaraka ny lalànan' ny saina izy, fa tsy miankina amin' ny anjoanjo metafizika momba ny fiziana.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.