Tongstena

From Wikipedia, the free encyclopedia

Tongstena

Ny tongstena dia singa ara-tsimia, karazana metaly izay mitaky maripana avo indrindra mba hampitsonika azy. Mitondra ny laharana atômika 74 izy ary W no eva fanehoana azy. Metaly mavesatra sy mafy dia mafy ary mora mitresaka ny tongstena, izay miloko fotsy manopy volom-bolafotsy. Mora roritina izy. Izy no singa laharana faha-57 amin' ny habetsahany ao ambanin' ny Tany. I Kôrea Atsimo, i Pôrtogaly, i Aotrisy ary i Aostralia no mpitrandraka akoran-tongstena be indrindra maneran-tany. Mitsonika ny tongstena amin' ny maripana 3 422 °C ary mangotraka amin' ny maripana 5 555° C. Manana hakitroka ambony 19,3 izy ary 183,84 ny lanja atômikany. Ampiasaina amin' ny fanamboarana tsiraka ao anaty jiron' aratra na ny lafaoron' aratra ny tongstena. Ampiasaina koa izy amin' ny taharon-tsỳ mafy sy mahatohitra.

Thumb
Anjan-tongstena

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.