Ny fiteny slava dia ireo fiteny indô-eorôpeana ao amin' ny vondrom-piteny baltô-slava. Vondrom-pitenin' ny olona monina ao Eorôpa Afovoany sy ao Balkana sy ao Eorôpa Atsinanana sy ao Siberia ary ao amin' ny tapany farany atsinanan' i Rosia ary ao Azia Afovoany.

Thumb
Fiteny slava

Sampan' ny fianakaviam-piteny slava

Mizara fianakaviana telo ireo fiteny slava ireo, dia ny fianakaviam-piteny slava atsinanana sy andrefana ary atsimo.

Fiteny slava atsinanana

Ny fiteny rosiana, ny fiteny bielôrosiana, ny fiteny rotena na rosina ary ny fiteny okrainiana dia ao amin' ny fianakaviam-piteny slava atsinanana.

Fiteny slava andrefana

Ny fiteny tsekôslôvaka (fiteny tseka, fiteny slôvaka), ny fiteny sôraba (fiteny sôraba ambony, fiteny sôraba ambany) ary ny fiteny lesitika (fiteny pôlôney, fiteny kasoba, fiteny pôlaba, fiteny slôvitsa ary fiteny silesiana) dia ao amin' ny fianakaviam-piteny slava andrefana.

  • Ny fiteny pôlôney dia manana mpiteny 50 tapitrisa, indrindra any Pôlônia sy any amin' ny tapany atsimon' i Litoania, ary koa any Belarosia, any amin' ny tapany andrefan' i Okraina, any Tsekia ary any Slôvakia, ary koa any am-pifindrà-monina (Eorôpa Andrefana, Amerika Avaratra).
  • Ny fiteny tseky dia manana mpiteny 11 tapitrisa, indrindra any Tsekia sy any Slôvakia ary any Aotrisy
  • Ny fiteny slôvaka dia manana mpiteny 5,6 tapitrisa any Slôvakia sy any Etazonia ary any Tsekia.
  • Ny fiteny sôraba dia manana mpiteny 100 000 izay manana sata voaaro any Alemaina ary mizara ho fiteny roa miavaka: ny fiteny sôraba ambany na fiteny losatiana, tenenina any Brandenburg, sy, ny fiteny sôraba ambony, tsy dia miely patrana loatra, tenenina any Saksônia.
  • Ny fiteny kasobiana dia manana mpiteny 100 000 ka hatramin' ny 250 000 eo ho eo, indrindra any amin' ny tapany avaratr' i Pôlônia (izay miteny pôlôney ihany koa) sy any Kanada.
  • Ny fiteny slôvintsa (fiteny pômeraniana antitra), izay efa tsy misy mpiteny intsony, nampiasaina tany Pomerania.
  • Ny fiteny pôlabiana, izay efa tsy misy mpiteny intsony, nampiasaina tany amin’ ny faritra sasany any Alemaina sy any Tsekia (tao amin' ny Lohasahan' i Elbe).

Fiteny slava atsimo

Ny fiteny serbô-krôaty (fiteny krôatiana, fiteny bôsniana, fiteny môntenegrina, fiteny serbiana) sy ny fiteny bolgariana-makedôniana (fiteny bolgara, fiteny makedôniana) ary ny fiteny slôvena (fiteny prekmora sy fiteny resiana) dia anisan' ny fianakaviam-piteny slava atsimo.

Fanoratana ny fiteny slava

Soratana amin' ny abidy latina nampiana mari-tsoratra ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny slava andrefana. Ireo fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny slava atsimo dia soratana amin' ny abidy sirilika sy amin' ny abidy latina. Ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny slava atsinanana dia soratana amin' ny abidy sirilika.

Jereo koa

Vondrona ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.