From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Firenena Baltika na Firenena Balta dia ireo firenena telo ao atsinanan' ny Ranomasina Baltika: i Estônia sy i Letônia (na Latvia) ary i Litoania.
Manana velaran-tany mirefy 175 000 km2 ireo Firenena Balta, sady misy mponina miisa 6 826 000. Hodidinin' ny Ranomasina Baktika ao andrefana izy ireo sady mitambatra sisin-tany amin' i Rosia sy i Bielôrosia ary i Pôlônia. Ny Ôblastan' i Kaliningrad, Königsberg alemaina taloha, izay eo anelanelan' i Litoania sy i Pôlônia, dia an' i Rosia. Tsy dia mikintoana firy ny vohon' ny tany ao amin' ity faritra ity, izay ahitana farihy sy kamory etsy sy eroa, indrindra ao avaratra, ary misy havoana ny ao Litoania.
Tsy miteny balta avokoa ireo firenena telo ireo: i Estônia dia miteny finô-ogriana (fiteny estôniana) fa tsy miteny balta (ny fiteny litoaniana sy letôna na latviana izay zaba-bondron' ny fiteny indô-eorôpeana).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.