Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Taratasy fahatelo nosoratan' i Joany na Epistôla fahatelo nosoratan' i Joany na Epistily fahatelo nosoratan' i Jaona dia lahatsoratra ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly izay anisan' ireo atao hoe epistily na taratasy. Anisan' ireo atao hoe Epistily katôlika io epistily io noho izy tsy natokana ho ana fiangonana iray fa ho an' ny fiangonana sy ny olona rehetra. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 90 sy 110 no nanoratana azy. Misy toko iray monja ity boky ity.
Τρίτη Επιστολή Ιωάννη / Tritê Epistolê Iôannê no anaran' io epistily io amin' ny teny grika fa Epistula III Ioannis kosa amin' ny teny latina.
Ny lovantsofin' ny Fiangonana dia manao ny epistily telo mitondra ny anaran' i Joany (na Jaona) ho nosoratan' i Joany Evanjelista. Ankehitriny anefa dia maro ny ady hevitra ny amin' ny fahamarinan' izany lovantsofina izany. Misy ny manampahaizana izay milaza fa ny Epistily faharoa sy ny Epistily fahatelo amin' ny anaran' i Jaona na Joany dia soratr' olona izay mety ho ilay "Loholona"[1] na "Antidahy"[2], atao hoe Joany (na Jaona) koa, resahina ao amin' ny Epistily faharoa (2Joa. 1:1) sy ao amin' ny Epistily fahatelo (3Joa. 1:1). Mihevitra ny ankamaroan' ny mpikaroka fa ilay Joany Antidahy (na Jaona Loholona) no nanoratra ireo taratasy telo ireo sy ny Evanjelin' i Joany.
Ny Taratasy fahatelo nosoratan' i Joany, izay tsy ahitana afa-tsy andininy 15, dia nosoratana ho an' olona atao hoe Gaio na Gaiosa (3Joa. 1:1), izay mety ho Kristiana filamatra tao amin' ny Fiangonana.
Ny antony nanoratana ny taratasy dia ny fitondran-tenan' ny Kristiana iray atao hoe Diôtrefa na Diôtrefesa (3Joa. 1:9) izay tsy nety nanaiky ny fahefan' ilay "Loholona" na "Antidahy" izay nampanantena ny hikarakara manokana an' i Diôtrefa (3Joa. 1:10). Midera an' i Gaio ny mpanoratra (3Joa. 1:3-7) sy mamporisika azy hanohy ny fandraisam-bahiny ary hiasa ho an' ny Fahamarinana (3Joa. 1:8).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.