Ny Salamo faha-99 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahefetra" (Sal. 90 -106) ity salamo ity. Ny Salamo faha-98 no eo alohany ary ny faha-100 no manaraka azy.

Lahatsoratra

Dikan-teny katôlika

1Mpanjaka Iaveh; mangovitra ny firenena;

mipetraka eo amin'ny Kerobima izy; mangozohozo ny tany.

      2Lehibe ao Siona Iaveh,

tafasandratra ambonin'ny firenena izy.

      3Hoderaina anie ny anaranao, sady lehibe no mahatahotra. - Masina izy.

      4Hoderaina anie ny herin'ny Mpanjaka, izay tia ny rariny.

Manamafy ny fahitsiana hianao,

mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny

eo amin'i Jakoba hianao.

      5Mankalazà an'ny Tompo Andriamanitsika,

ary miankohofa eo anatrehan'ny lampihazo ipetrahan'ny tongony. - Fa Masina izy.

      6Moizy sy Aarona dia anisan'ireo mpisorony,

ary Samoela isan'ireo miantso ny anarany,

dia niantso an'ny Tompo, ka novaliany.

      7Niteny tamin'ireo tao amin'ny andry rahona izy;

nitandrina ny didiny izy ireo

sy ny lalàna izay efa nomeny azy ireo.

      8Ry Iaveh Andriamanitray ô, nekenao ny fangatahanay;

Andriamanitra be indrafo ho azy ireo hianao,

ary namaly azy tamin'ny hadisoany.

      9Mankalazà an'ny Tompo Andriamanitsika,

ary miankohofa eo anatrehan'ny tendrombohiny masina,

fa masina Iaveh Andriamanitsika.

Jereo koa

  • Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
  • Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
  • Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
  • Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
  • Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.