Ras al-Khaimah
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Ras al-Khaimah dia tanàna ao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra, renivohitry ny Emiratan' i Ras al Khaimah. Ao amin' ny Hoala Persika no misy azy, any amin' ny farany avaratra amin' ny tany efitr' i Rub al-Khali, eo anelanelan' ny tendrombohitra sy ny ranomasina. Ny governoratan' i Musandam, izay faritra mitoka-monina ômaney, dia eo amin' ny 20 km any avaratra sy atsinanan' ilay tanàna.
Miorina manodidina ny seranan-tsambo voajanahary (na khor), izay manasaraka azy ho distrika roa, ity tanàna ity: i Ras el Khaimah tranainy sy i Nakheel; nonenana mponina miisa 120 347 izy tamin' ny taona 2010, na 60 % amin' ny mponina ao amin' ilay emirata. Ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ras al-Khaimah dia 18 km atsimon' ilay tanàna.
Araka ny tatitry ny Intergovernmental Panel on Climate Change (IPCC) tamin' ny 9 Aogositra 2021 dia nanjary tsy azo iainana ilay tanàna, sahala amin' i Jacobabad ao Pakistàna, noho ny onjam-kafanana lehibe miaraka amin' ny hamandoana be, ka tsy ahafahana mifehy ny hafanan' ny vatana amin' ny hatsembohana. Ny hafanana any dia nahatratra ny tokonana heverina ho mahafaty 35 °C amin' ny antsoina hoe hafanana mando, efa niseho inefatra nanomboka tamin' ny taona 1995, araka ny fanadihadiana nivoaka tamin' ny taona 2020 tao amin' ny gazety siantifika Science.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.