Ny rariny, izay atao hoe koa fahamarinana, amin' ny heviny mivelatra indrindra, dia foto-pitsipika filôzôfika sy ara-dalàna ary ara-môraly izay iheverana ny tokony hitondrana ny olona amin' ny fomba tsy miangatra. Araka io foto-pitsipika io dia tsy maintsy ankatoavina na lavina ny fihetsiky ny olona arakakaraka ny fahamendrehany araka ny môraly (ny tsara), ny lalàna, ny hatsaran-toetra na izay mety ho fenitra hafa enti-mitsara ny fitondrantena. Ny rariny, izay foto-pitsipika mahakasika ny zavatra rehetra, dia miovaova arakaraka ny kolontsaina. Tarigetra heverina ho fototra ho an' ny fiainana ara-piarahamonina sy ho an' ny sivilizasiôna ny rariny.

Thumb
Mizana

Fiarahamonina ahafahan' ny tsirairay mahazo izay "mendrika azy" ny fiarahamonina ahitana ny rariny. Miankina amin' ny karazana sehatra sy sampana filôzôfika isan-karazany ny fandikana ny hoe "mendrika", anisan' izany ny etika, ny fifotorana amin' ny saina, ny lalàna, ny fivavahana, ny fitovian-tantana ary ny rariny. Azo atao ny miteny fa fanjakana dia mikatsaka ny rariny amin' ny alalan' ny fitsarana sy ny fampiharana ny didim-pitsarana.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.