From Wikipedia, the free encyclopedia
I Ptôlemaiôsy I, izay atao hoe Ptôlemaiôsy I Sôtera, dia jeneraly makedônianan' i Aleksandra Lehibe sady iray amin' ireo zanaka afaka mandimby ny mpanjaka (atao hoe διάδοχος / diádokhos amin' ny teny grika). Voantendry ho satrapa (solontenam-panjakana) tany Egipta izy tamin' ny fizaràna ny empiran' i Aleksandra tamin' ny taona 323 tal. J.K., nandray anjara tamin' ny ady ara-tafika nifanaovan' ireo diadoka izy ka nifanandrina tamin' i Antigônôsy Mônôftalmôsy sy tamin' ny zananilahy Demetriôsy Pôpliôrtketôsy.
Ptôlemaiôsy I Sôtera | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Ptôlemaiôsy I Sôtera | ||
Teraka | 367 tal. J.K. | ||
Maty | 283 tal. J.K. | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
Teraka tamin' ny taona 368 tal. J.K. ary maty tamin' ny taona 283 tal. J.K. izy. Amin' ny teny grika dia atao hoe Πτολεμαῖος / Ptolemaios ny anarany. Ny hoe Soter dia mlidika hoe "mpamonjy".
I Lagôsy no rainy. Ny vadiny dia i Artakama, i Taisy, i Eoridike any Egipta, i Berenike I any Egipta. Ny zanany dia i Ptôlemaiôsy II Filadelfôsy, i Arsinôe II, i Ptôlemaiôsy Keraônôsy, i Meleagera, i Lisandra ary i Ptôlemaisy.
Izy no mpanorina ny dinastia ptôlemaîka, izay atao hoe dinastia lagida (na lazida) koa araka ny anaran' i Lagôsy rainy izay nanjaka tany Egipta hatramin' ny taona 30 tal. J.K. niafaran' izany fanjakana izany. Nanandratra ny tenany ho mpanjaka (grika: Βασιλεύς / Basileús) izy fa tsy farao tamin' ny taona 305 tal. J.K. ary i Ptôlemaiôsy II zanany lahy mpandimby azy no nahazo ny anaram-boninahitra hoe "mpisorona egiptiana".
Nanao izay hifehezany ny faritry ny ranomasina sy ny manodidina izy ka nanitatra ny fanjakazakany tamin' ny faritra amoron-dranomasina any Azia Minora sy tamin' ireo nosy ao amin' ny Ranomasina Egea sy ny Ranomasina Mediteranea atsinanana, ka isan' izany i Kiprosy. Tsy nahomby ny fanorenany ny fanjakazakany tao Grisia an-tanibe sy tao Kôile-Siria (grika: κοίλη Συρία / Koilê Suria). Mpanjaka tia manorin-javatra izy sady mpahay tetikady ary sakaizan' ny literatiora, ka izy no heverin' ny mpahay tantara ankehitriny ho mpanjaka lehibe nalaza indrindra tamin' ny vanimpotoana helenistika.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.