From Wikipedia, the free encyclopedia
I Onilahy na Oñelahy na Oñilahy dia renirano any amin' ny faritra atsimo-andrefan' i Madagasikara, ao amin' ny faritanin' i Toliara. Mahatratra 31 600 km2 ny lemaka azony sy ireo rano anompo azy tondrahana, 145 m3/s ny habetsahan' ny korian-dranony ary 400 km any ho any ny halavany ary any amin' ny 1 000 m any ny haambon' ny toerana ipoiran' ny loharanony any amin' ny distrikan' i Betroka. Izy no mametra avy ao avaratra ny faritra onenan' ny Mahafaly.
Ny rano mamatsy azy avy ao amin' ny ilany ankavia dia Isoanala, Ianapera, i Sakoa ary i Sakamena, fa ny avy ao amin' ny ilany ankavanana ao avaratra kosa dia Imaloto, i Sakamare, i Taheza ary i Sakondry. Mamakivaky lohasaha lalina i Onilahy ary mivarina mitsotsorina tampoka any amin'ny helodranon' i Soalary (na Saint Augustin) (35 km atsimon' i Toliara) ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika noho ny fitohizan' io lohasaha lalina io any an-dranomasina. Ny ampahan' ilay lohasaha ao andrefan' i Tongobory dia ahitana fambolem-bary sahan' ny tantsaha antanosy.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.